Politique

«Les As» sy Voninahitsy Jean Eugčne Tsy maninona na seza «strapotin» aza


  • Alakamisy 20 Janoary 2011


“Tsy mampaninona mihitsy na seza “strapotin” aza no homena anay anaty governemanta mba ahazoanay maneho hevitra fa izahay tsy hiady varotra ho ao amin’ny ministera izatsy na izaroa (mba hanaovana zavatra hafa ?)”, hoy i Voninahitsy Jean Eugène, filohan’ny fivondronan’ny antoko politika “Les As” raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza izy omaly. “Izay tsara sitrapo no tokony ho ao amin’izany governemanta izany”, hoy izy, “ka tsy mampaninona na ho 40 aza ny ministra ao anatiny. Tokony hiditra ao ireo avy amin’ny ankolafy nefa aoka tsy hanao fitakiana mihoa-pampana. Ny famahana ny olana amin’ny samy Malagasy izao no ilaina ka ny hiarahan’ny rehetra no tadiavina fa tsy olana ny firesahana na tsia amin’Ingahy Simao solontenan’ny GIC tonga eto”.

Mikasika ny famotsoran-keloka dia fantatra fa anisan’ny lohandohan’ny mpisorona nampanao sonia ireo mpikambana ao amin’ny CT namany ny tolo-dalàna mikasika izany ny “Les As” tarihin’i Voninahitsy. Nomarihany ihany koa fa saika hanao seminera mikasika ity famotsoran-keloka ity ry zareo parlemantera mba hamoahana tahirin-kevitra fototra hanohanana azy io, saingy tsy neken’ny vaomiera misahana izany ao amin’ny CT izy io fa hoe tsy nahazo fankatoavana avy amin-dRajoelina. 

Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT