Politique

Leriva Manahira “Tsy azo asolo na iza na iza Ravalomanana”


  • Zoma 05 Oktobra 2012

Tsy mbola nisy teo amin’ny tantara ny hoe filoham-pirenena naongana ka nanomboka tamin’ny andro nanonganana azy iny dia nitaky ny hamerenana azy ny vahoaka ary dia nitolona ho amin’izany efa ho efa-taona izao.

 “Inona no nataon-dRavalomanana ka mahatonga antsika hifikitra aminy”, hoy i Leriva Manahira nametra-panontaniana. Ity depioten’i Brickaville teo aloha ity ihany no namaly fa Ravalomanana no nitondra fampandrosoana ho an’ny sokajin’olona rehetra teto amin’ny firenena. Ny 90%-n’ny zaza madinika, ohatra, dia niditra an-tsekoly avokoa. Tsy vitsy koa ireo tanora afaka nanohy ny fianarany any ivelany, nalefan’ny fanjakana tamin’ny andron-dRavalomanana. Ankoatra izay dia tamin’ny androny ihany koa no nisiana fifaninanana ho an’ireo tantsaha, toy ny voly vary maroanaka, ka nahatonga ny Malagasy lasa namboly vary hahavitana tena ara-tsakafo. Anisan’ny nahazo loka tamin’izany i Brickaville, hoy i Leriva. Fampirisihina ny olona izany.

Maro koa ny Malagasy no nahazo tombony tamin’ny fijoroan’ny orinasa Tiko, na mivantana io na ankolaka. Tamin’ny taona 2008 dia efa tafakatra 7,1% ny taham-pampandrosoana saingy tratry ny sakana sy fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 dia tsy nitsahatra nitotongana hatrany ambanin’ny aotra. “Tsy nisy Malagasy mpanao politika azo ampitahaina amin-dRavalomanana, afaka hitondra fampandrosoana toa azy”, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy ity. Raha tiantsika ny hiala amin’izao krizy izao sy izao fahavoazana izao dia tsy misy vahaolana afa-tsy ny fanolorana, ny fodiana ary ny fandaniana an-dRavalomanana ho filoha. “Tsy azo asolo na iza na iza iny rangahy iny”, hoy ihany i Leriva Manahira nanamafy. Izy ihany no lakile.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT