Politique

Lercia - Mpandraharaha “Sanatria hisy rà latsaka ve vao hifandamina ? ”


  • Alakamisy 18 Febroary 2021

Raha tsy mitandrina isika dia hisy fidinana an-dalambe ary, ary hiafara amin’ny fifandonana,

 

 

 

 hoy ny mpandraharaha Lercia. Tsara ny mifanantona ho an’ny andaniny sy ny ankilany. Mila miala nenina, ary atao mazava ny fifanatonana, ka ampahafantarina ny besinimaro ny zavatra tapaka. Ny vahoaka no mitsara hoe iza no nanao fahadisoana, ary raha mbola miziriziry amin’ny tsy mety ny ankilany, dia mazava fa miroso amin’ny fidinana an-dalambe. Aminy, fifanantonana sy fifampiresahana aloha raha mbola azo alamina sy misy marimaritra azo iraisana, izay mitaky fifandeferana lehibe ho an’ny andaniny sy ny ankilany io. Raha tena fitiavan-tanindrazana ny eto, dia sahy mifanatrika mifandona ara-kevitra hoe izao ny fomba hitanay, izao no tsy mety. Raha tonga eo ary ny mpanohitra, ohatra, rahampitso, misy antoka fa hiova ary ny fiainantsika? Ho vitany ve io? Inona no antoka omeny fa hanao an’izany izy? Ny eo amin’ny toerana ankehitriny, moa ve mbola afaka mipetraka eo manao ny asany ihany koa? hoy I Lercia. Izay no ilàna fifanatonana, ary aminy, tsy ilaina ny fidinana an-dalambe raha tsy misy fifanantonana sy fialana nenina. Nahitsy ihany koa izy naneho, fa tsy ilaina ny fisambotsamborana sy fanagadrana, fanakatonana orinasa,... Mamotika fiainan’olona, ary mihodinkodina io, ka mety ho voa ianao rahampitso, hoy I Lercia. Nambarany fa mifangaro ny resaka politika sy lonilony ka sanatria ve hiditra amin’ny fifandatsahan-drà vao hoe hifandamina indray avy eo kanefa tsy maintsy ho tonga amin’ny fifampiresahana ihany ?.

 JEREO NY SANDAM-BOLA, FAHASALAMANA..
 Na iza na iza mpitondra eo, raha mbola io sandam-bola io tsy ho afaka isika. Mila sahy ny mpitondra hoe tsy hitrosa intsony. Aiza ve ka ny 80% amin’ny fampiodinan-draharaham-panjakana. 1euro faharafaharatsiny any Ariary zato. Any Maorisy ohatra, 1euro mitovy amin’ny 40 roupies. Ny any ivelany tsy manana olana amin’ny sakafo intsony, tsy manana olana ara-pahasalamana izay efa maimaimpoana, ka rariny izy raha manamboatra kianja, fa tsy mbola toy izany ny eto ka tsy ireny no maika. Eny amin’ny “urgence” dia efa misy vola, ny “consultation” 10 000Ar farafahakeliny,... Mila ahena ny fandaniam-bolan’ny Minisitera tsirairay. Raha 100 000 Ar ny solika izany hoe tsy tokony hihoatra ny 3 tapitrisa dolara, misy minisitra anefa 300 000 000Ar any fandaniany solika, 200 hatramin’ny 300 miliara Ar ny tetibola fampiodinan-draharaha amina minisitera sasany. Tsy adalan’ny firenen-dehibe manome vola ho an’ny tsy an’asa, tsisy hohanina ny olona na haripaka isan’andro aza ny dahalo, dia hisy foanan rehefa tsy misy asa,… hoy hatrany I Lercia.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT