Tsy mbola tena hita mazava ny firafitry ny tontolo politika eto amin’ny firenena taorian’ny nahavoafidy ireo solombavambahoakan’i Madagasikara izay samy milaza fa vonona ny hiara-kiasa amin’ny filoham-pirenena vaovao voafidim-bahoaka ihany koa. Tsy mbola nitranga teto amintsika rahateo io toe-javatra iainana ankehitriny io.
Ny tsara ho fantatra anefa ary iaraha-mahalala izany manerantany dia ilaina ny fisian’ny antoko na vondron’antoko mpanohitra mba hitondra ny fitsikerana fanatsarana ny fitantanana ny firenena. Raha tsy izany dia mandeha ila ohatra ny kiraron’i Beminahy, araka ny fomba fiteny ny fiainam-pirenena malagasy. Momba izay toeran’ny mpanohitra izay indrindra dia tsara ihany ny mampahatsiahy fa manana ny sata manokana mifehy azy izay hitana ny anjara toeran’ny lehiben’ny mpanohitra eto Madagasikara manomboka izao. Ny Lalàna 2011-013 no mamaritra ireo anjara andraikitra hosahaniny. Anisan’ny voalazan’io lalàna io, ohatra, fa raha olona ivelan’ny Antenimieram-pirenena no lasa lehiben’ny mpanohitra dia misalotra avy hatrany ny akanjon’ny solombavambahoaka izy ary mitovy laharana amin’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena miaraka amin’ireo tombontsoa mifanaraka amin’izany. Zony ny hanana kabinetra ahitana tale iray, mpanolotsaina efatra ary mpitantsoratra iray. Ankoatra ireo dia manana zo afaka mamoaka ny vaovao ihany koa ny tenany amin’ny maha mpanohitra azy. Izy no mpanokatra lahateny mandritra ny adihevitra iarahana amin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta izay tsy mihoatra ny 15 minitra. Manan-jo feno ny lehiben’ny mpanohitra amin’ny fihaonana amin’ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara sy ny fanatrehana ireo hetsika rehetra ofisialy eto amin’ny firenena. Iza amin’ireo filohan’antoko na fikambanana politika marobe misy eto amin’ny firenena aza no afaka hitana izay andraikitra goavana ho fampandrosoana ny fiarahamonina malagasy izay indrindra amin’izao raharaham-pirenena mbola tena manahirana sy saro-pady izao ? Ny ho avy no hilaza azy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.