Politique

Lehiben’ny Faritra Tsy vitan’ny FAT ny nanolo azy ireo


  • Alakamisy 20 Janoary 2011


Hentitra ny fanapahan-kevitr’ireo mpizaika an’arivony nandritra ny fihaonambem-pirenena natao teny Ivato ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra 2010 ny amin’ny tokony hanoloana ireo Lehiben’ny Faritra rehetra manerana ny Nosy ary koa ny hanendrena delegasiona manokana (PDS) hasolo ireo Ben’ny tanàna am-perinasa. Ny amin’ity farany dia nihazakazaka i Andry Rajoelina namaritra ny datin’ny 20 desambra 2010 ary nanapaka izany tamin’ny filankevitry ny ministra, hanaovana fifidianana Ben’ny tanàna hanoloana ireo am-perinasa mba hialana amin’izay mety ho fanoherana raha fanendrena PDS no hatao.

Na izy samy mpitondra aza tsy nifanara-kevitra nony injay nivoaka ny datim-pifidianana, nitsivalana koa ireo olom-boatendry ao amin’ny Parlemanta (Kongresy sy Filankevitra ambonin’ny tetezamita) ary dia nahemotra ho amin’ny fotoana tsy fantatra izany. Ny amin’ireo Lehiben’ny Faritra moa dia ny eo ihany no eo. Eny fa na tany amin’ny faritra nandresen’ny TSIA (Bongolava) nandritra ilay fitsapan-kevi-bahoaka nahabe resaka, natao ny 17 novambra 2010, aza tsy mihetsi-bolomaso. Nangina tsy nahenoan-teny hatramin’ny Raiamandreny Mijoro koa, izay nilokaloka ny hanara-maso ny fanatanterahana izay tapaka rehetra nandritra iny fihaonambem-pirenena iny. Koa inona no fiovana handrasana amina endri-pitantanana toy izany ? 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT