Politique

Lehiben’ny Faritra Atsinanana Terena hiala anatin’ny 24 ora


  • Talata 13 Novambra 2012

Notanterahan’ireo mpitarika sy ny mpikambana eo anivon’ny hetsika “Tsy misy miala aketo niany”, ny hetsika an-dalam-be efa nomanin’izy ireo fa hatao omaly alatsinainy 12 novambra.

 Niainga tao amin’ny Kianja mitafo Soavita ny filaharana tamin’ny 09 ora teo ho eo izay nitanjozotra nihazo ny lalana Tanamakoa, Ankirihiry, Tanambao V, Bd Augagneur ary tonga teo anoloan’ny Biraon’ny tetikasa Ambatovy tokony tamin’ny 11ora. Nitombo avo roa heny ny olona nanoina ny antson-dry Riri Be omaly, totoafo rahateo ny fanentanana sy antso nataon’izy ireo nandritra ny faran’ny herinandro. Efa vory maro nanao sakana koa anefa ny Emmo-Reg ka tsy azo nidirana ny faritra misy ny biraon’Ambatovy. Fanaterana ny fitarainana sy fangatahana fihaonana an-databatra boribory eo amin’ireo mpiasa naato tao Ambatovy sy ireo tompon’andraikitra mahatapaka eo anivon’ny tetikasa, no anton-dian’izy ireo. Satria azo nidirana tao ka ny komandin’ny vondrom-pileovan’ny zandary lehiben’ny Emmo-Reg no niantoka ny fanaterana ilay taratasy. Nanome 72 ora an’ireo tompon’andraikitra mahatapaka eo anivon’ny tetikasa Ambatovy izy ireo hamaliana ny fangahatany. 

 
Taorian’Ambatovy dia nitanjozotra niazo ny lapan’ny Faritra Atsinanana ireto olona maro be, fa hoe hanala ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina, amin’ny toerany. Efa niatrana teo ihany koa anefa ny Emmo-Reg. Raikitra ny fifanazavana sy fifampihantsiana. Efa niainga hatramin’ny grenady mandatsa-dranomaso saingy tsy nety nirefotra ity farany noho ny olana teo amin’ny fitaovana nampiasaina. Nanome fe-potoana 24 ora ny lehiben’ny Faritra hialany amin’ny toerany ny hetsika. “Hiafara amin’ny rotaka ny mbola fizirizirianao noho ny tsy fijerenao ny fahorian’ny vahoakan’i Toamasina sy ny tanoran’i Toamasina”, araka ny tenin’ireto mpanao fihetsekitsehana. Taorian’izay dia namonjy ny moron-dranomasina ny ankamaroan’izy ireo, nisy famonoana omby roa sy fahandroana sakafo. Tamin’ny ankapobeny dia tsy nanaitra ny mpivarotra sy ny olona ny zava-misy noho ny filaminan’ireto mpanao fihetsehana tsy manelingelina ny fitadiavan’izy ireo isan’andro, saingy nanamafy ny fiambenana ny lapan’ny Faritra Atsinanana sy ny manodidina azy ny Emmo-Reg.
 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT