Politique

Legalista Antsirabe Nankalaza ny 12 desambra


  • Talata 14 Desambra 2010

Lanonam-be no nentin’ny Legalista tao Vakinankaratra nankalazana ny tsingerintaona faha-61-n’ny Filoha Marc Ravalomanana ny sabotsy 11 Desambra teo ka tao amin’ny Kianjan’ny Magro Avaratsena ihany no nifamotoana izy ireo.

Raha toa moa ka ny Alahady12 no tena tsingerin-taonan’ny Filoha dia niniana naroso izany noho ny maha alahady ny andro. Nanamarika ireo mpitarika fa tsy maty ary tsy ho faty ny tolona raha tsy tafapetraka ny fiaraha-mitantana ny tetezamita tena izy izay ankatoavin’ny Vondrona iraisam-pirenena, hany lalan-tokana ivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao, ary na dia lazaina fa niditra ao anatin’ny Repoblika faha-4 aza i Madagasikara rehefa tsy misy fankatoavana ho rava maina fotsiny izany Repobilika izany. Tsy dia lava moa ny lahateny io sabotsy nankalazana ny fetin’i Dada io fa dia nampifaliana tamin’ny fampisehoana vako-drazana ny olona ary dia notohizana tamin’ny fiaraha-misakafo satria nisy ny malala-tanana nanome vary hena niarahana nahandro tao amin’ny kianjan’ny ara-dalàna tamin’io fotoana io ary dia ny tanora legalista no nisahana ny fandrindrana notarihin’ny filohany dia i Haja. Mitohy isaky ny Alarobia sy Sabotsy kosa ny hetsika ataon’ireto mpomba ny ara-dalàna ao Antsirabe ireto. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT