Politique

Leader Fanilo Mitaky ny hamoahana ny tetiandro momba ny fifidianana


  • Zoma 17 Desambra 2010


Mitaky ny hamoahan’ny fitondram-panjakana ny didim-pitondrana mametra ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana rehetra, mialoha ny faran’ny taona ny antoko Leader Fanilo, araka ny tenin’ny filoha nasionaliny, Manasse Esoavelomandroso. Izany no atao dia mba hahafahan’ireo antoko vonona ny handray anjara amin’ny fifidianana miomana tsara sy manomana ireo mpikambana ao aminy manerana ny nosy. Ankehitriny mantsy, araka ny nambaran’ity filoha nasionalin’ny Leader Fanilo ity, dia manjavozavo ny toe-draharaha ary tsy hita izay hambara amin’ireo mpikambana ao anatin’ny antoko, ary tena manahirana ihany izany amin’ny fiomanana rehetra satria sao dia mamely am-pitaka tahaka ny fanaon’ny teo aloha ny fitondrana amin’izao fotoana, ka handeha ila indray izay fifidianana hitranga manaraka eo. Nambaran’i Manasse Esoavelomandroso fa nandray anjara foana tamin’ny karazam-pifidianana rehetra natao teto amin’ny firenena nanomboka tamin’ny 1992 ny Leader Fanilo ary mbola vonona ny hiatrika izay fifidianana rehetra ho avy eo, saingy mila atao mazava tsara ny fitsipi-dalao ary atao matotra ihany koa ny fanomanana mba ho tena mendrika ilay hoe fanovana nimatimatesana marina ny zava-mitranga. Ny fanontaniana mipetraka moa dia hoe misy mihaino ve zy ireo.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT