Efa miomana hiverina hanala CEPE aho, araka ny fampanantenana nataoko hoe raha manova zavatra ka mamaha olana io Governemanta vaovao io dia mila miverina manala CEPE aho
, hoy ny mpanao politika, Laza Razafiarison omaly. Mba omeo “sujet type” azafady izay manana, hoy izy. Niandry koa aho ireo izay milaza tompon’ny vahaolana fa raha mba misy any na “diplomé” na “chef religieux” na “grand maître spiritual” na hafa dia mba vahao ny olana fa mijaly ilay gasy. Mbola tsy misy nilaza ideolojia akory na iray aza ireo mitonona hitondra vahaolana teto dia hoy ireo nahita fianarana hoe efa misy hery fahatelo hono any fa tsy izy roalahy intsony no eto. Dia raikitra tokoa ny “sondage” na tsapan-kevitra, izany hoe rehefa misy vahoaka maro sy vola be dia izay no atao hoe “force”. Ry adala sy votsa saina! Mandra-pahoviana no hianteheranareo amin’izay hitan'ny masonareo nefa na ny hazavana aza tsy mbola naposaka eo aminareo akory? Tsy fantatrareo va fa raha tsy eo ny mazava dia tsy misy ilana azy akory ny masonareo? Novonoinareo ny jiro hanilo ny lalanareo ka natakalonareo ny in-dray mihinana tsy mahavita andro akory. Nolavinareo ny vato fototra nefa mieritreritra ny hanao fanorenana ifotony ianareo. Indro loza no mitatao eo am-baravaranareo, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.