Politique

Laza Razafiarison “Andao isika hanomana ny hitondrana ny firenena”


  • Alakamisy 24 Febroary 2022

Miha sahirana ihany ny firenentsika, hoy ny mpanao politika, Laza Razafiarison. Tsy haiko, hoy izy, raha mbola misy afaka milaza fa tsy sahirana.


Tsy vahaolana koa anefa ny handika lalàna ka hanongana na hanisy ratsy izay efa manao ratsy. Tsy dia mahay zavatra maro aho fa ny hadisoan'ny fitondrana nifandimby dia nanome lesona ahy be dia be, indrindra, tamin’ny resaka fitondran-tena. Tsy tonga lafatra aho fa manana fahalemena maro satria efa mba nanao hadisoana ihany koa. Alohan'ny hiarahanao na anohananao ahy dia ireto ny dosie momba ahy fa tiako raha ny vavako no milaza ny mety tsy hitiavanao ahy. Raha mitady olona bogosy sy mpanana ianao dia sady tsy isan'izay atao akory hoe tsara aho no tsy mpanefoefo koa fa rehefa tsy diso sakafo sy fitafy ary fianarana sy fonenana ny ankohonako dia nataoko mahafaly ahy izay. Izay nanaovan'Andriamanitra ny endriko kosa dia ifaliako. Tsy dia miavaka loatra aho fa mitovy amin’ny olona rehetra eo amin’ny sarangam-piainana ka mba ananan'ny olona trosa ihany koa fa tsy mbola niady taman'olona kosa tamin’ny resa-bola. Tsy namanao aho amin’ny resaka fety. Any anaty ala aho no mahazo aina indrindra ary eny amin’ny seranam-piaramanidina aho no ianjadian-drarin-tsaina indrindra. Aza manandrana mifosa olona aty amiko fa tonga dia heveriko ho ianao ilay fosaina. Aza mieritreritra ny hiaraka hanao politika amiko raha hitady tombontsoa manokana, na seza, na hanao fidirana an-tsehatra na “intervention” fa tsy haiko izany. Tsy mahalala havana na namana aho amin’ny resaka politika fa aza manonona an'izany akory. Tsy tia miady na mifamaly aho fa aza mieritreritra hoe rehefa mitondra aho dia hiady no atao praograma na hamalifaty. Maro ny kilemako fa raha zakanao ireo efa voalaza dia andao isika hanomana ny hitondrana ny firenena. Aza manavaka olona, antsoy ny maro fa sao mba any aminy ny vahaolana. Atambaro ny hery, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT