Politique

Laurent Ramaroson «Tsy mitady seza izahay»


  • Talata 19 Oktobra 2010

Nanatsoaka ny filatsahan-kofidiany amin’ny toeran’ny filoha lefitry ny kongresin’ny tetezamita notanterahana omaly teny Tsimbazaza ny antoko AVI.

Araka ny nambaran’i Laurent Ramaroson dia fanavotana ny firenena no imasoan’ny antoko AVI fa tsy ady seza mihitsy. Hita mibaribary, hoy izy fa ady seza no mibahana ao an-tsain’ny sasany ao anatin’ity Kongresin’ny tetezamita ity. Tsy izany mihitsy anefa no vahaolana hahafahana mivoaka amin’ny krizy, fa fifanomezan-tanana sy fifanohanana. Araka ny nambarany ihany, raha izao no mitohy dia tsy hisy hifidy any amin’izay faritra niaviany avy ireto olon’ny Kongresy tia ady seza ireto, satria efa leon’ity fitiavan-tseza ity ny vahoaka. Nanamarika ihany koa izy fa olom-boatendry fa sy mbola olom-boafidy na ny mpikambana amin’ny CST ao Anosikely na ny mpikambana ao amin’ny CT eny Tsimbazaza.

Noho izany  dia ny fanatanterahana ny asa haingana mba hampandroso ny tetezamita no atao fa tsy ady varotra amina toerana. Ny mpanara-baovao politika dia efa mahatakatra tsara amin’izao fihetsiky ny AVI izao fa misintaka tsimoramora amin’ny tetezamita sy ny mpanao politika manodidina an’i Andry Rajoelina izay mbola tena mirangorango amin’ny seza ity antokon’i Norbert Lala Ratsirahonana ity, satria tsy te ho ratsy manoloana ny tantara, ka hosoketaina ho anisan’ireo nampitarazoka ny tetezamita sy nampitombo ny fahasahiranan’ny vahoaka noho ny ady seza.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT