Politique

Lapan’ny Antenimierandoholona Nihaona tamin-dRivo Rakotovao ny ONU


  • Talata 29 Desambra 2020

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fifanajàna nihaona tamin’ny filohan`ny

 

 

Antenimierandoholona Rivo Rakotovao tetsy Anosikely ny mpandrindran` ny Firenena Mikambana (ONU) monina sy miasa eto Madagasikara, Issa Sanogo omaly. Nandritra ny fihaonana dia samy nanambara ny roa tonta fa manana ny sehatra maro azo trandrahina amin’ny fiaraha-miasa i Madagasikara. Ho an` ny Firenena Mikambana dia atao tanjona ny fiantohana miaraka ny fitoniana ho an`ny fampandrosoana saingy mitaky kosa fiaraha mientana amin` ny rehetra izany, hoy Atoa Issa Sanogo. Notsipihany manokana fa maro ny asa vitan` ny Antenimierandoholona ka tsy maintsy hisy hatrany ny fanohizahana ny asan` ny teo aloha (continuité de l`Etat) ireo loholona vaovao. Nanamafy izany ny filoha Rivo Rakotovao. “Mamporisika ny ONU amin` ny fanohizana ny asa. Ny parlemanta dia tsy mpanao fanadihadiana na famotorana na koa mitsara saingy manao ny asany. Tsy hisy mihitsy ny fampandrosoana maharitra raha tsy misy ny fitoniana maharitra eo amin`ny lafiny fitantanana.” Nambarany hatrany fa ny Lalàmpanorenana no mamaritra hoe “misy ny fifidianana filoham-pirenena dia isaky ny dimy taona. Hieritreritra foana ve ny vahoaka fa inona indray no hitranga raha miova ny fitantanana ? Ny fampandrosoana ve dia eritreretina fa ho vita anatin` ny dimy na folo taona ? Ilaina ny fitoniana. Izany dia tsy hilaza fa tsy misy ny fitovian-kevitra fa samy manana ny andraikiny ny mpitondra na ny entina.” Notsindriny kosa fa “diso eritreritra no milaza fa ianao samirery dia afaka mampandroso an` i Madagasikara. Samy manana ny andraikiny io. Ao anatin` ny fanohizana ny asan`ny teo aloha no tena zava-dehibe. Raha milaza hoe tsy misy dikany kosa ny zava-bitan` ny teo aloha dia eo no manahirana”. Maneho fahavononana hanampy sy hanamafy ny fifandraisana ny Firenena Mikambana na amin`ny lafiny politika, sosialy ary toekarena.

Marigny A. sy Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT