Raha somary nafampana vao maraina ny endri-pifandraisan'ireo MCT teny amin'ny Lapan'ny Tsimbazaza omaly maraina dia niravona ihany ny disadisa saika hitatra tamin'ny savorovoro madinika rehefa nisy ny fifampiresahana mazava teo amin'ireo mpitantana ao amin'ity Andrimpanjakana mpanao lalànan'ny fitondrana tetezamita notarihan'ny filohany sy ireo mpikambana mbola mizaka ny zony feno hatreto mandra-pamoahana ofisialy ny anaran'ireo solombavambahoaka vaovao hisolo azy ireo. Fantatra àry fa naloa ny karama volana janoary 2014 fandrain'ireto olom-boatendry ireto ary nahemotra amin'ny 8 febroary 2014 ny fotoana farany hahazoan-dry zareo mitoetra ao amin'ny "Centre d'Accueil" an'ity Lapa ity. Tsy voafaritra mazava tao anatin'ny fifampidinihana kosa ny mikasika an'ireo taratasin-tsolika fandrain-dry zareo isam-bolana izay voalaza fa misy efa tsy nandray izany ny ankamaroany nandritra ny telo volana farany. Ny zava-pantatra koa aloha dia misy amin'ireo MCT ireo no nahazo taratasy fanasana mazava ny amin'ny fanatrehana ny fianianan'i Hery Rajaonarimampianina hatao etsy Mahamasina rahampitso sabotsy satria ao anatin'ny lisitr'ireo nambaran'ny CENI-T fa lany vonjimaika izy ireo noho ny isam-bato ambony azony. Ny sasany avy amin'ny ankolafy mpanohitra ka heverina fa tsy hanatrika ny lanonana na asaina aza, ary ao koa ny hevitra hafa milaza fa efa lany daty ny anarana MCT.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.