Mihombo ihany ny disadisa anatiny eo amin’ireo solombavambahoaka mivory eny Tsimbazaza ankehitriny. Raha tsy niverina namonjy fivoriana intsony ireo depiote mivondrona ao anatin’ny PMP taorian’ny nivoahan’izy ireo niaraka tamin’ny talata lasa teo noho ny tsy fitovian-kevitra tamin’ny MAPAR mikasika ny fandinihana ny volavolan-dalàna mikasika ny fitsipika anatiny tokony hifehy ity andrim-panjakana ity dia ry zareo tsy miankina mivondrona ao amin’ny GPS indray koa no niala tao an’efitrano fivoriana omaly noho ny resaka fananganana vondrona parlemantera. Na dia nangadihady be aza ny trano, dia notohizan’ireo depiote 46 niampy ny filohany ihany izay tian’izy ireo nolaniana tao. Anio zoma 28 febroary moa no hifarana amin’ny fomba ofisialy ity fivoriana manokana ho an’ny solombavambahoaka vaovaon’ny Repoblika faha-4 ity izay nentina nananganana ny rafitra ao aminy no tena votoatiny tamin’ny ankapobeny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.