Lapan’i Tsimbazaza

> Efa somary mangingina


  • Sabotsy 08 Febroary 2014

Efa somary mangingina ny eny amin’ny Kongresin’ny tetezamita Tsimbazaza eny izay hiverina ho Lapan’ny Antenimieram-pirenena indray.

Efa maro ireo mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita niorim-ponenana tao no lasa nifindra lasy nanofa trano eto Antananarivo ihany na nody any amin’ny Distrika fiaviany avy. Ireo sisa tavela dia efa samy nangoron’entana avokoa, miandry baiko hialana fotsiny sisa. Sambany tamin’ity indray maka ity, hoy ny MCT iray izay efa depiote in-droa miantoana tao koa no tsy nisy fandroahana narahina fanerena miaramila tamina basy na fanilikilihana fotsiny tsotra izao satria izahay MCT tsy lany ireto na noresena tamin’ny fomba maro samihafa dia tena demokraty mpankato ny zava-misy. Tena lavitra eto amintsika izany fahamarinana sy ara-dalàna ary ara-drariny izany, hoy ny hafa raha tarafina amin’ireny voka-pifidianana nivoaka ireny. Ny sasany indray dia nanindry mazava fa mba tena nahavita be teo amin’izany tetezamita izany ny MCT na nolazaina ho mpanangan-tanana fotsiny aza. Fa raha tsy nisy ny fankatoavanay an’ireny lalàna samihafa ireny tsy nisy izao Repoblika faha-4 izao. Raha tsy nolanianay tety Tsimbazaza ny volavolan-dalànan’ireo tetibolam-panjakana nalefa taty aminay ireny tsy nizotra tahaka izao ny fiainan-dRamalagasy tao anatin’izay 5 taona izay. Mba ho setrin’izany anefa dia mbola ampifilaina amin’izay tombontsoa kely sisa tavela valin-kasasaranay izahay ary tsy mba nisy fisaorana akory avy amin’ny rafitra n’iza n’iza natao ho an’ireo mpanao lalàna nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo. Nanao kivazivazin-teny moa ireto ampahana MCT hiala ny toerana eny Tsimbazaza ireto hoe : Hoy ny “FDSL” (Fikambanan’ny Depiote Saika Lany).

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT