Politique

Lapan’ Anosikely Mitohy ny fizarana seza


  • Alakamisy 28 Janoary 2021

Mitohy ny fizarana seza ao amin`ny lapan` Anosikely saingy toa tsy misitraka izany ny rehetra.

 

 

Mbola misy ny toeran'ny filohan'ny kaomisiona telo izay hofenoina aorian` ny fanekena ny fitsipika anatiny vaovao eo anivon` ny Antenimierandoholona. Ny iray amin`ireo mpitsara roa aloha no azo antoka fa hisahana ny fiadiadin` ny vaomiera misahana ny lalàna. Tsiahivina fa ny mpitsara fahatelo, Imbiki Herilaza, dia efa nahazo ny iray amin`ireo filoha lefitra roa. Ireo mpitsara, Hajaniaina Tahina Andrianandrasana sy Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa, araka izany, no hiady toerana amin`izany. Raha voafidy ny mpitsara voalohany dia hanana solontena telo ny faritanin'i Fianarantsoa satria lany ho Filoha lefitra misolo tena ireo faritany avy any atsimo i Nicolas Rabemananjara. Ny mpiray lisitra taminy kosa , Raymond Rakotondratsimba, no mpampaka-teny. Hanamafy ny "zara vilana" eo amin`ny faritany enina izany raha tanteraka. Etsy ankilany, raha lasa filohan`ny vaomiera misahana ny lalàna ny mpitsara faharoa, dia hisy fisokafana kely ho an'ny antoko Malagasy Miara Miainga (MMM) izany, na dia manohana ny Fitondram-panjakana azy ity antoko ity, na ihany koa tsy afaka manangana vondrona parlemantera. Mikasika ireo toeran'ny filohan'ny komisiona roa hafa dia raha ny lojika dia tokony ho an`ireo loholona avy amin'ny faritany roa tsy voasolotena ao anatin` ny birao maharitra : Mahajanga sy Toliara. Raha toa ka tsy mahazo anjara amin`ireo toerana ireo ireto faritany ireto dia mety hampitombo ireo tsikera amin`ny fisian` ny tsy rariny na fanilihana na koa fanavakavahana ny Faritany roa.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT