Politique

Lapam-panjakana Mahazoarivo Tapaka fa ahemotra ny fifidianana depiote


  • Alatsinainy 10 Janoary 2011

Tao anatin’ny ora iray monja dia vita ny dinidinika nifanaovan’ny Praiministra Camille Vital tamin’ireo solontenan’antoko politika nasainy teny Mahazoarivo noho ny fetin’ny Asaramanitra 2011 ny andron’ny sabotsy 8 janoary teo.

Nahatratra 140 ny seza nisy tao amin’ny efitrano malalaka fivoriana ao amin’ity Lapam-panjakana ity no feno tanteraka ireo mpanao pôlitika malagasy. Ny isa nomen’ireo tompon’andraikitra teny an-toerana avy amin’ny fandraisana anarana nataon’izy ireo anefa dia nanome 180 (nisy ireo somary taratara, nisy ireo tsy niditra ny trano fivoriana fa avy dia teny amin’ny fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana). Tsy dia azo nofaritana loatra hoe firy no tena isan’ny antoko politika tonga tao satria nisy ny nanana solontena roa na telo aman’efatra nihoatra aza. Saika ireo efa nanohana ny fitondrana FAT hatramin’izay izy ireo (Tgv, Akfm roa tonta, Hpm, Arema, Leader Fanilo, Liaraiky, Udecma sns… ary ireo fikambanana maro niatrika ireo fivoriana samihafa teny Ivato tamin’ny taon-dasa.

Dia ireo vao nanatevin-daharana taty aoriana (Tim Raharinaivo indrindra indrindra). Fohy dia fohy ny lahateny fiarahabana sy firariantsoa nataon’ny Praiministra tamin’izany fa ny tena nahamaika azy dia ny nametraka fanontaniana ho valian’ireo mpanao politika teo noho eo raha ho tazonina ihany datim-pifidianana efa voatondron’ny fanjakana ka efa nanaovan’ny governemanta fiantsoana ny mpifidy hiatrika ny fifidianana ny 16 martsa 2011 na hahemotra.

Fohy dia fohy ihany koa ny setriny avy amin’ny Pasitera Andriamanjato Richard (Akfm Fanavaozana) zokiny indrindra tamin’ireo nanoina ny antso, nisolontena ny namany rehetra fa ny famaliana avy hatrany ny fanontanian’ny Praiministra no nifandrombahan’ny rehetra nananganana tanana. Raha atao bango tokana dia vitsy an’isa ireo nitana mafy ny tokony hitazonana ny datin’ny 16 martsa fa ny hanemorana azy amin’ny fotoana manaraka no be mpiteny (ho fampiharana ny tapaky ny «conférence nationale» fa tsy tokony hatao amin’ny androm-pahavaratra ny fifidianana, tokony anaty fahatoniana koa no anaovana izany ka ilaina ny fampihavanam-pirenena). Neken’ny Praiministra ny fanapahan-kevitry ny maro ka nilaza ny hitondra ny raharaha eo anivon’ny governemanta sy ny filan-kevitry ny ministra izy ka handefa tolo-dalàna vaovao ho dinihin’ireo Antenimiera roa tonta indray. Fa izay nanaitra ny maro ihany koa, dia ny fisian’ny mpanao politika tsy miova fihetsika mihitsy ary hafahafa fomba fa tsy mba ny famaliana ny fanontaniana mivantana no ataony fa ny filazana miendrika fisolelahana amin’ny hoe : «tokony hijanona amin’ny toeranao ianao Atoa Praiministra». Hita ho nahafaly ity farany izany na dia mody nosaronany tamin’ny famadihan-dresaka haingankaingana aza.

 
Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT