Lany tamin’ny endriny tsy nasiam-panovana teo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita omaly, ilay volavolan-dalana lah.027/2012 tamin’ny 31 oktobra 2012 mamaritra ny tetibolam-panjakana taona 2013.
Nifamahofaho be ihany raha ny isan’ireo nananga-tanana nandany ity volavolan-dalàna ity satria raha 122 no voaisa teny am-baravarana fa tonga namonjy fivoriana dia 50 tamin’ireo no nandany ilay volavola, 32 nitsipaka ary 4 tsy nilaza ny heviny. Ny tsangan-tanana hita tamin’ny tovana voalohany anefa dia 39 nanaiky ary 32 nitsipaka. Teo amin’ny tovana faharoa : 47 no nandany ary 34 nandà, 2 kosa tsy nilaza ny heviny. Teo amin’ny tovana faha-3 dia 45 no nanaiky, 21 nitsipaka ary 3 tsy nilaza ny heviny. Tafatsangana teny amin’ny toerany namerina nanisa ny tsanga-tanana mihitsy moa ny filoha lefitra avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana, Me Hanitra Razafimanantsoa. Nampandihy irery sy nampanao latsitanana ny CST Raveloarisoa Jocelyne Olga, mpampakateny ankapobeny ao amin’ny vaomieran’ny fitantanam-bola sy tetibola kosa ny fahalanian’ity volavolan-dalàna ity. Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha, hoy ireo namany nibitsibitsika.
Tsy ny hoe mpandresy sy resy no mahafaly amin’izao fahalanian’ny lalàna mifehy ny tetibola izao, hoy ny minisitra Hery Rajaonarimampianina, notronin’ny mpiara-miasa aminy marobe fa ny PAP (Pensons Au Peuple) no zava-dehibe. Nafana ny adihevitra ary nikatra ny feo, izay taratry ny demokrasia, saingy fakana traikefa avokoa ireny rehetra ireny, hoy ity minisitra ity. Midika izany izao fa hiroso amin’ny fifidianana isika, hoy izy. Nisy zavatra tsy naharesy lahatra ka tsy nahafapo tao anatin’io volavolan-dalàna io ka izany no nandavanay Ankolafy Ravalomanana sy ireo namana hafa ihany koa, hoy i Me Hanitra Razafimanantsoa. Efa fantatra fa tsy maintsy ho lany iny, satria vitsy an’isa izahay fa ny hampieritreretana sady hampisehoanay koa fa tsy “passoire” fotsiny ato fa misy manohitra tanteraka ny hevitra. Ireo tsy nilaza ny heviny kosa, toa ny CST Raobivelo Raphaël izay mpahay toekarena rahateo dia nilaza fa tsy te hiray tsikombakomba amin’ny tsy mety ao anatin’io tetibola io izy nefa nahatsapa koa fa misy ny azo ekena koa ao anatiny ao.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.