Nivoaka ny efitrano fivoriana indray omaly tolakandro ny mpikambana CST maromaro, maro an’isa tamin’izany ny avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana, raha tsy mbola nanomboka akory ny dinika tokony hifanaovan-dry zareo amin’ny minisitry ny fitantanam-bola sy tetibola, Hery Rajaonarimampianina izay nantsoin-dry zareo manokana hangataham-panazavana noho ity resa-bolam-panjakana tsy dia mazava loatra mihodina ao anatin’ity andrim-panjakana ity.
Tsy nandeha irery tahaka ny minisitra Botozaza Pierrot nampanantsoina ny maraina anefa ity minisitra faharoa ity fa nitondra mpiara-miasa maro. Resaka politika handinihana ny disadisa anatiny eo amin’ity resa-bola ity no antony nampanantsoinay an’Ingahy minisitra, hoy ny CST Rakotomanjato Rodin (Ankolafy Ravalomanana) ary izy irery no tokony hamaly izay fanontaniana saika hapetrakay tao amin’ny maha tsy azon’ny besinimaro atrehina ny dinika. Tahaka an’ireny hoe tsy mahatapa-kevitra samirery ireny ny tenany ka mitondra mpanolotsaina maro sady hoe hisy haka sary koa, hoy izy. Rehefa fivoriana “à huis clos” dia tokony hivoaka daholo izay mpanaraka rehetra na avy amin’ny minisitra na avy aminay CST, hoy ny CST Henri Lecacheur (PFM).
Resaka politika no angatahanay hihaonana aminy fa ny teknika efa vita ny maraina tamin’ny asam-baomiera, hoy izy. Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataoko, hoy izy, dia nilaza aho fa tokony ho nampahafantariny avokoa hatramin’ny andraikitr’ireo olona nanaraka an’Ingahy minisitra ireo, sao lahy … mpamafa tranon’Antananarivo no hifampiresaka aminay ato. Nampiakatra afo ny CST Naivo Raholdina izany, hoy izy, ka nitratrevatrevany hoe : “Mba hajao izahay eto Antananarivo fa aza kilasiana ho mpamafa trano daholo”. Toe-javatra mampalahelo ny fisainana ohatra izany, hoy ity olom-boatendry avy any amin’ny Faritanin’i Toamasina ity.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.