Politique

Lany tsy nasiam-panitsana ny LFI 2022 Tsy maintsy hiakatra ny vidin-tsavony


  • Alarobia 24 Novambra 2021

Lany tsy nasiam-panitsiana teny anivon’ny antenimieram-pirenena ilay volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin’ny taona 2022 ( LFI 2022).

Na nisy aza ny fanitsiana na ny « amendement » roa izay nentin’ny vaomieran’ny fitantanam-bola eo anivon’ity andrim-panjakana ity dia tsy nisy nolanian’ireo solombavabahoaka 84 tonga nifidy tao izany. Io fanitsiana io dia mikasika ny fanafoanana ny « garantie à l’importation » sy ny momba ny haban-tseranana na ny « droit de douanes » mahakasika ny bolabolan-tsavony na ny « bondillon », izay akora fampiasan’ny ankamaroan’ireo mpanao savony eto Madagasikara. Momba ity farany dia nanapa-kevitra ireo depiote fa ho akarina 20% ny haban-tseranana amin’io bolabolan-tsavony io raha 10% izany ankehitriny. Ny 70% ny vokatra savony eto Madagasikara dia azo avy amin’io « bondillon » io. Tsy azo ihodivirana vokatr’io fanapahan-kevitry ny depiote io ny hiakaran’ny vidin-tsavony. Raha ny vaovao dia efa nisy ny « consigne de vote » avy amin’ireo mpitondra ambony nanery ny tsy maintsy handaniana tsy misy fanovana io volavolan-dalàna momba ny tetibola 2022 io. Nandritra ny asam-baomiera dia nahatsapa ireo depiote fa ho zava-doza ny fampiakarana ny tatao-ketra amin’ny bolabolan-tsavony ho lasa 20% anatin’izao firenena vao miarin-doha taorian’ny krizy izao. Indrindra moa fa efa manomboka miverina eto amin’ny firenena indray ny Covid-19. Fepetra tsy maintsy ilaina amin’ny fiarovana amin’io areti-mandoza io mantsy ny fanasa-tanana matetika amin’ny savony.
ORINASA 12
Efa mijaly amin’ny tsy fisian’ny rano ny vahoaka madinika, mbola hiakatra indray koa ny vidin-tsavony. Azo lazaina fa resy tanteraka ny vahoaka amin’ny fiakaran’ireo entana ilaina amin’ny andavan’andro. Orinasa 12 no mampiasa ity akora ity amin’izao fotoana ary isan’ny maha marin-toerana ny vidin-tsavony ny tsy fiakaran’io haba-tseranana io. Hanao ahoana ihany koa ny ho avin’ireo orinasa ireo sy ireo mpiasa an’arivony izay manodina izany orinasa izany ? Azo heverina ve fa ho vitan’ireo orinasa mpanodina savony tsy mampiasa ny « bondillon » ny haha marin-toerana ny vidin’ny savony mba ho takatry ny maro fa indrindra ny hanome ny kalitao ilain’ny vahoaka. Ny zavatra tsapa aloha dia tsy misy fitsinjovana ny vahoaka ity volavolan-dalana ity. Ny depiote Tim moa dia tsy nifidy ary tsy nampandany io volavolan-dalàna io noho ny fahatsapana fa tsy lavorary ilay izy.

Mahatratra 11 141 miliara Ar eo moa ny volavolana tetibola hoenti-miasa sy hampiodinana ny firenena ho an’ny taona 2022. Ho an’ny antenimieram-pirenena manokana dia nisy fiakarany 25 miliara rahateo ny tetibola ho an’ny taona 2022 satria raha 54 miliara Ar zany teo aloha dia lasa 79 miliara Ar.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT