Mifangarika ny TGV sy ny MAPAR. Milaza ho tsy mahalala izany resaka MAPAR izany i Lanto Rakotomavo, filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady Sekretera nasionalin’ny antoko Tanora Malagasy Vonona. Aminy dia sady tsy antoko no tsy vondron’antoko ny MAPAR. Mikasika ny antoko TGV indray dia miantso ireo mpikambana izy mba hiroso amin’ny fanovana ny mpitantana ny antoko amin’izay (hisy kongresy manokana hatao amin’izany). Hetahetam-pony ny tokony handraisan’i Andry Rajoelina ny toerana amin’ny maha filohan’ny antoko TGV azy amin’izay. Ankoatra izay dia milaza ho vonona hiara-kiasa amin’ny fitondrana vaovao Rtoa Lanto Rakotomavo. Nambarany fa fianakaviambe ara-politikan’ny Tanora Malagasy Vonona izay antoko misy azy ihany ny filoha Hery Rajaonarimampianina ka tsy tokony hisy olana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.