Lanto Rakotomanga

> Nisaotra ireo mpifidy azy


  • Alatsinainy 10 Febroary 2014


Anisan’ireo depiote vao lany teo i Lanto Rakotomanga ao amin’ny Boriborintany faha-2. Nikarakara lanonana tao amin’ny Jao's PUb Ambohipo ny tenany ny sabotsy lasa teo ho fisaorana an'Andriamanitra noho ny nahalany azy solombavambahoaka. Manaraka izany ny fisaorana an'ireo mpiara-miasa sy mpanohana azy amin’ireo Fokontany miisa 24 ao amin’ity Boriborintany ity. Nisy moa ny famonoana omby iray izay natao nofonkena mitam-pihavanana nifampizarana tamin’ny olona 500 nasaina. Nanamarika i Lanto Rakotomanga izay lany tamin’ny anaran’ny MAPAR (Miaraka amin’ny Prezida Andry Rajoelina) fa izy no laharana voalohany tao amin’ny Boriborintany faha-2 kanefa nidina ho fah-2 raha ny vokatra navoakan’ny CES. Nilaza koa izy fa asa hatrany no atao fa tsy kabary.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT