Nahariharin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tsy fiarahany miasa amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).
Samy nahatsikaritra ny rehetra fa tsy nandray ny filohan’ny Repoblika ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana na dia efa vonona ny amin’izany aza ity farany niaraka tamin’ny samboady. Isan-taona anefa dia tahaka izany foana amin’ny maha mpampiantrano ny lanonana ara-panjakana ny CUA. Mba nisy ihany ny olana teo amin’ny CUA sy ny fanjakana HVM tamin’ny fotoan’androny fa nifanaja sy tsy nifanalabaraka ny filoha sy ny ben’ny tanàna. Fetim-pirenena mantsy io ka tsy hijerena loko politika, nabaribarin-dRajoelina kosa izany omaly. Efa ny maraina ny Tale ao amin’ny CUA miadidy ny fotodrafitrasa vao nampahafantarin’ny ao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika fa miova ny fandaharam-potoana. Omaly maraina ihany koa vao nahalala ny ao amin’ny CUA fa tsy ery ambony ny fitoeran’ny filoha fa ery ambany. Tao anatin’ny 59 taona izay vao nisy filoham-pirenena nibaiko mivantana sy ampahibemaso ny foloalindahy. Fanovana mitondra amin’ny fampandrosoana sy hanasoa ny vahoaka tokoa ve ? Sa fanovana entina hanaovana « culte de personnalité » an-dRajoelina ? (sary eran’ny tanàna amin’ny sainam-pirenena, lokon’ny parachute natao volomboasary…). Tena noporofoin-dRajoelina ary fa tsy vonona hiara-kiasa amin’ny ben’ny tanàna izy. Mizotra amin’ny fanjakana tsy refesi-mandidy na «régime totalitaire» isika. Tsy misy toerana ho an’ny demokrasia intsony eto Madagasikara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.