Lalatiana Ravololomanana

> “Tsy ny Malagasy rehetra no nandany an’i Hery Rajaonarimampianina”


  • Zoma 24 Janoary 2014

Nivoaka tamin’ny fahanginany indray Rtoa Lalatiana Ravololomanana taorian’ny namoahan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana ny voka-pifidianana ho filoham-pirenena ofisialy iny.

Ampahefatry ny Malagasy mpifidy no mba nisafidy an-dRajaonarimampianina Hery izay lanin’ny maro an’isa tamin’ny olona tonga nifidy, hoy izy. Mahery kelin’ny antsasak’ireo tonga nifidy izay antsasaky ny Malagasy monja no nanome vato ho azy. Ho an’ity filohan’ny antoko “Manda ho an’ny Firaisam-pirenena” ity dia mazava fa “tsy lanin’ny Malagasy rehetra ny filoha vaovao ka tsy afaka hanampin-tsofina”. Nambarany fa misy ampahana Malagasy tsy manaiky ny voka-pifidianana heverin’izy ireo fa tsy marim-pototra iny. Mbola miteraka fifandirana sy ny lonilony ary ny tsy fifampatokisana izany, hoy izy, nefa isika miandrandra fitoniana sy fiovana tanteraka. Noho izany dia mila apetraka tanteraka ny fampihavanam-pirenea tena izay eto Madagasikara. Raha tsy ny zanak’ity firenena ity manontolo no miara-misalady dia mbola ho nofinofy ny fanamby hanarenana ny firenena. Mbola manantena ny filoha Zafy Albert sy ny FFKM hitarika izany fampihavanana efa nodradradradrain-dry zareo elabe izay ny vahoaka. Ny fankatoavana iraisam-pirenena dia tsy ho ampy raha tsy misy ny firaisankinan’ny Malagasy tsy vakivolo, hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanana.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT