Politique

Lalatiana Rakotondrazafy “Mbola te hanohy aho, fa tsy olana raha hesorina”


  • Alarobia 16 Febroary 2022

Namaly bontana ny resabe samihafa momba azy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Andriatongarivo omaly.

 “Tsy mbola tafiditra tamina “scandale” mikasika kolikoly na fanodinkodinana volam-panjakana na zavatra ihany koa aho. Ny fanenjehana ahy dia mikasika ny fiainako manokana raha mitombina izany, fa tsy nisy afaka nanaporofo ny mampitombina izany aloha hatreto n aireo mivoy ilay resaka aza any amin’ny tambajotra ara-tsosialy aza”, hoy ity Minisitra ity. Rehefa nandray ny fanapahan-keviny ny Filohan’ny Repoblika mikasika ny Minisitry ny fitsarana teo aloha , dia nolazaina fa hoe: tsy mety mihitsy ity andairan’ny Facebook ity, fa rehefa ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina izany no hanaovana tsindry any anaty facebook hametra-pialàna na tokony hesorina dia mety indray ilay tsindry any amin’ny tambazotra? hoy izy. Naneho fa tsy mibodo toerana satria vao notendrena dia efa manaiky ihany koa ny mety ho fialana sy fanalana. “Tsy manana olana mihitsy amin’ny fotoana tokony hialako eto amin’ity firenena ity, aho ary tsy mitsanga-menatra satria nahavita ho an’ny firenena. Raha mbola manana herijika ahafahana manohy izany dia hanohy, fa rehefa milaza ny Filoha hoe esorina amin’izay dia tsy olana amin’i Lalatiana. Na izy, na ny vadiny, dia nohitrikitrihiny fa fanenjehana momba ny fiainany manokana, ka nilazany fa aleony henjehina amin’ireny toy izay amin’ny resaka kolikoly, nangalatra volam-panjakana, tsy nahavita asa,… Nilaza ho nahavita “contrat-programme”. Nanambara ihany koa fa vonona ny Minisiteran’ny serasera hanaovana fitsirihana lalina na “audit” raha misy ny ilàna izany.


Etsy andaniny, na ny mpanohana ny Filoha aza tsy faly amin’ity Minisitra ity sy ny vadiny, toy ny mpanakanto Rossy izay nampitandrina eo anatrehan’ny ambarany fa fandrahonan’Atoa Andry Andriatongarivo fa hamoaka dosien’olona ambony. Teo ihany koa ny resaka fitsabahana amin’ny fifanolanan’ny Minisiteran’ny serasera sy ny mpanakanto, ny fandrahonana, ny vava be,…. Mampihena fa tsy mampiakatra ny isa na “point” ho an’ny Filoha, ary manaratsy endrika ny fanjakana io minisitra io, hoy ny sasany. Nanenho moa ny mpanao famakafakana iray fa matahotra ny Filoha sao hamoaka dosie io minisitra io raha hesorina ary efa nataony, ka izay no maha tsy azo hozongozonina ny Minisitry ny serasera.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT