Politique

Lalatiana Rakotondrazafy Manamafy ny fifampitandrohana amin’ny TIM


  • Zoma 03 Jona 2022

Andro maromaro taorian’ny antsojay nanakana ny Antoko TIM tao Antsirabe ny sabotsy 28 mey lasa teo, dia nipoitra sy naneho hevitra momba iny ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy.

Nomena alalana fa tsy eo Avaratsena, nomena alalana tany Vatofotsy, nomena alalana malalaka. Lainga ary tsy marina ny filazana fa tsy mahazo manao hetsika. Matahotra fa tsy hahazo olona raha hafindra ilay toerana, ary ry zareo ihany no nanafoana ny hetsika, tsy fahadiovam-po ny filazana fa tsy nomena alalana”, hoy ity Minisitra Mpiahy ny faritra Vakinankaratra ity. Raha ny nambaran’ny TIM moa dia efa herinandro mialoha no natao ny fangatahana saingy efa ora vitsy tsy hahatongavan’ny fotoana vao nolazaina fa tsy azo atao amin’ny faritry ny Magro, izay marihina fa an’ny tsy miankina, mifefy,…”. Voatontonona ho isan’ny tao ambadiky ny fandrarana ny TIM ity minisitra ity, izay nanasokajy ny hetsiky ny TIM ho fanonana-panjakana. Ny 25 mey , nisy ny fanehoan-kevitra mahery vaika nataon’ny Depioten’Antsirabe Michel Ambalavato naneho fa “Miaro mafy ilay tombotsokeliny ny minisitra lalatiana ka tsy menatra akory mandiso ny resaka efa nohamarininy. Fa maninona no lazaina fa mitady hanongam-panjakana ny TIM kanefa “redynamisation” ao amina toerana manokana sady mihidy fa tsy mbola an-dalambe akory? Mba tadidio kely aloha Rtoa minisitra ny vavanao taloha vao manomeha lesona indray ny TIM ianao a, ianao izao mihintsy mantsy no nitatatata hoe zo fototra ny midina an-dalambe kanefa mbola amina toerana miidy aza dia efa izao sahady no ataonao. Matahotra mafy sady mitsatsaka amin'ny TIM ianareo dia atao daholo izao vono afo rehetra izao, tsy adala akory ny mponina eto Antsirabe fa miraikitra ao an-tsainy foana ny nanimbananreo ny fiainany nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakana 2009 izay tsy tafarina intsony hatramin'izao”, hoy io depiote io nampahatsiahy. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny TGV-MAPAR raha namory vahoaka tany Antsiranana, nanao diabe teny an’arabe mihitsy, fa tsy nisy nanakiana na nandrara. “Mbola hitsimbadika ny tantara ka aleo tsy manao mizana tsindriana ila fa aleo hitovy ny fomba handraisana ny olona manoloana ny lalana”, hoy moa ny Depiote TIM avy any Antsirabe I nanoloana ny sakantsakana natao io antoko io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT