Politique

Lalatiana Andriatongarivo “Tsy ho an’ny kianja masoandro ihany ny komity siantifika”


  • Alarobia 10 Jona 2020

Tsy misy ifandraisany amin’ny fanamboarana ny kianja Masoandro ny fananganana ny komity siantifika, hoy ny Minisitry ny serasera Lalatiana Andriatongarivo nanoloana ny parlemanta.

 

 

 Tsy hoe natao manokana ho an’ny kianja Masoandro fa ho an’ny fanajariana ny Rova iray manontolo. Vao nanomboka nanao “appel d’offre” tamin’ny asa dia efa niasa izy ireo, raha ny fanazavany. Ny 9 aogositra no efa nanomboka niasa. Ny 18 martsa vao vita tanteraka ny didim-panjakana nanendrena azy ireo, izay tsy nahasakana ny komity siantifika hiasa taorian’ny filazan’ny Filoha ny fananganana ny Rova dia efa niasa, hoy hatrany io minisitra io. Isan’ny toe-javatra niteraka adihevitra goavana teto amin’ny firenena io resaka Kianja Masoandro io, ka na Atoa Norbert Lala Ratsirahonana izay manohana ny fanjakana Rajoelina aza somary nitandrina raha naneho hevitra. Ataovy ny fihaonana ahitana ny marimaritra iraisana satria tsy ahitana vahaolana raha samy hiziriziry amin’ny heviny, hoy izy. Ny zavatra hita dia fanenjehana mivantana amin’ny haino aman-jery na tambajotran-tserasera ireo maneho hevitra tsy dia mitovy loatra amin’ny eritreritry ny mpitondra, ka isan’ny tratran’izany ry Pr Ranjeva Raymond, Jeneraly Ramakavelo,…

]Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT