Niely omaly ny tsaho milaza omaly, fa naiditra hopitaly tao amin’ny “reanimation”
na famelomanan’aina ao amin’ny HJRA ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, ary nafindra toerana indray fa hoe tsy afaka notsaboina tao. “Salama tsara ny tenako, sady tsy « cas critique » no tsy « forme grave ». Misaotra an’Andriamanitra aho nihinana CVO+ efa nisotro CVO ranony teo aloha”, hoy ny valin-kafatra avy amin’io Minisitra io omaly tamin’ny fitsidihany ny asa fanamboarana ny CEMDELAC Analakely. Nambarany fa tsy misy voa na iray aza ny mpikamban’ny governemanta amin’izao. Nisy namana voa teo aloha fa efa sitrana daholo. Nisy minisitra nalefa notsaboina tany ivelany, fa tsy covid-19 no nahavoa azy, fa aretina hafa, hoy Rtoa Lalatiana Andriatongarivo. Mety safidin’ny minisitra tsirairay, fa raha ny governemanta tsy misafidy ny hanafina izany raha misy, araka ny nambarany. Manao ny serasera araka izay hatao ny Minisitra tsirairay. Ny zavatra tsikaritra aloha amin’izao fotoana izao, dia saika mangingina tsy andrenesam-peo ny ankamaroan’ny mpikamban’ny governemanta. Tsapa ho misafidy ny tsy hiloa-bava firy. Raha tsikaritra ny fiaraha-mientana, fiaraha-mirona tamin’ny herintaona tahaka izao nenti-naneho, fa miara-misalahy amin’ny fiatrehana ny coronavirus, dia tsy izay intsony ny endrika isehoany ankehitriny. Toa navotan’ny coronavirus ihany koa eo anatrehan’ny tokony hisian’ny tombana isaky ny enim-bolana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.