Namaly bontana manoloana ny serasera avy any ivelany toy ny an’ny CEDEAO ny minisitry ny serasera Lalatiana Andriatongarivo.
Manahy fa sao kapa ranjo ho an’i Madagasikara sy misy ifandraisany amin’ny fikorontanana amin’ny isa momba ny coronavirus. Tsy voatery hahafaly ny olombelona rehetra sy ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana ara-panafody. I Madagasikara no nahita ny tambavy hoentina misoroka sy mitsabo, izay tsy voatery hahafaly ny rehetra, hoy izy. Nambaran'ity minisitra ity, fa maro ny tsindry lalovan’ny fitondram-panjakana, lalovan’ny filohan’ny Repoblika, lalovan’ny governemanta. Misy mialona an’i Madagasikara hoe ianareo ve izany no nahita ity tambavy ity hoenti-mitsabo ny covid-19? Fanampiana avy aty amin’ny Firenena Malagasy no nentina. Tsy ny CEDEAO amin’ny rafitra azy no nilaza hoe mila ilay tambavy, fa mpikambana ao anatin’ny CEDEAO. Hafa ilay rafitra, ary tsy ireo mpitarika no niteny hoe mila, fa firenena mpikambana ao anatiny. Tsisy resaka kaomandy mihitsy, fa i Madagasikara no nanapa-kevitra hitondra fanampiana ho an’ny mpiray kaontinanta aty Afrika. Amin’izao fotoana izao, dia ny Filohan’i Tanzania izay mitarika ny SADC dia nandefa fiaramanidina haka Covid Organics. Mety misy ny paikady hampandohalihana sy hampihemotra an’i Madagasikara. Hanaiky hopepoana na hotsatsoin’ny sehatra iraisam-pirenena ve isika? Hoy I Lalatiana Andriatongarivo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.