Politique

Lalatiana Andriatongarivo “Ahenanay ny isan’ny loholona fa mandany vola”


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Mandany vola be loatra na “budgetivore” ny antenimierandoholona, ka tokony ho ravana, hoy ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo.

 

 

 

Efa fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena fony mbola kandida io, saingy tsy vita ny fandravana, ka ahena izany ny isan’ny loholona, hoy izy. Hahafaha-mitsitsy ny volam-panjakana dia ahena 18. Amin’ny volana janoary 2021 no tapitra ny fe-potoana hiasan’izy ireo. Voatery hanao fifidianana aorian’ny fahataperana, ka inona no tiantsika loholona 63 sa mba ahena 18 mba hahafahana manao fotodrafitrasa zavatra ho an’ny vahoaka, holaniana amin’ny fampandehanan-draharahan’io andrim-panjakana io fotsiny, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Inona no tiantsika loholona 63 sa 18 fa na inona na inona, dia mandany vola sy tsy zaka io, hoy hatrany izy. Mampahatsiahy ilay tenin’ny Filoha hoe: “hazavana sa sénat?” fa hatreto aloha mbola tsy voafehy ny delestazy. Tsy loholona 63 ihany no miasa ao amin’io andrim-panjakana io fa manodidina ny 600 ny mpiasa. Olon’ny HVM ny 95% amin’ny mpikambana ankehitriny ka asa raha niroso tamin’io fampihenana io ny Filoha sy ny ekipany raha toa ka MAPAR ny maro an’isa ao? Ahafahana mankatoa sy mampanankery ilay didy hitsivolana na “ordonnance” noraisin’ny Filoham-pirenena no antony hananganana ny “commission mixte paritaire” eo anivon’ny parlemanta roa tonta. Tsy manana eritreritra hanalava ny fotoana hiasan’ny Filoham-pirenena izy ireo, raha ny nambaran-dRamatoa minisitra. Tsiahivina fa lalàna telo no nampiarahana, dia ny mikasika ny antenimierandoholona, ny fitsapankevi-bahoaka, ary ny harena an-kibon’ny tany.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT