Politique

Lalàna mifeny ny fanoherana Hodinihan'ireo loholona anio


  • Zoma 22 Mey 2020

Lalàna mifeny ny fanoherana Hodinihan'ireo loholona anio

 

 

 

xMbola adihevitra be ity lalàna ity eny amin` ireo parlemantera. Ankilany, araka ny Lalàmpanorenana dia tsy ireo olom-pirenena na mpanao pôlitika mpanenjika sy manakiana ny fitondrana no atao hoe “mpanohitra”, fa ny antoko manana depiote ao amin’ny Antenimieram-pirenena ary manambara amin’ny fomba ôfisialy eny anivon’ny ministeran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana an’izay maha mpanohitra azy izay. Io antoko io ihany koa no tokony hanolotra ny lehiben’ny fanoherana ao amin’ny Antenimieram-pirenena ary mipetraka ho filoha lefitra fahafito eo anivon’io andrim-panjakana mpanao lalàna io. Etsy andaniny, efa naneho ny heviny momba io lalàna io ny eo anivon` ny HCC tamin` ny fotoan`androny ary nilaza fa misy banga na tsy ampy izany lalàna izany. Nampanahirana ny ny nampiharana azy tamin`ny fitondrana teo aloha. Anisan` ny antony namerenana ny handinihan` ny antenimiera roa tonta izany. Anio no hitondra fanazavana sy hiaro ny tolon-dalàna momba ny fanitsiana ny lalàna n°2011-013 eny anivon` ny Antenimierandoholona eny Anosikely, ny depiote Razafintsiandraofa Jean Brunel .

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT