Adihevitra tsy mety vita ny mahakasika ny lalàna mifehy ny fanoherana eto amin’ ny firenena.
Ny volana mey lasa teo no tokony nandalo asam-baomiera teo anivon’ ny Antenimierandoholona saingy nahemotra hatrany. Fantatra ary fa ny 24 jona no handalo asam-baomiera eo anivon’ ny Antenimierandoholona ny lalàna laharana faha 01-2019/PL momba ny satan’ny mpanohitra sy ny antoko mpanohitra ka ny 25 jona izao ny fandaniana azy. Araka ny voalaza ao anaitn’ ny and. faha-14 “ny lalàmpanorenana no miantoka ny zo hijoro ho mpanohitra amin’ny fomba demokratika”. Tokony hapetraka amin`ny toerana maha izy azy ny fanoherana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.