Voafaritra ao anivon`ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI) taona 2020 fa hiatrika fitsapan-kevi-bahoaka isika eto Madagasikara amin`ity taona ity.
Folo taona aty aoriana, hasiam-panitsiana ny lalàmpanorenana nateraky ny Repoblika fahefatra. Ny lalàmpanorenana nandritra ity Repoblika ity lany tamin`ny volana novambra 2010, no tena mampifanolana indrindra raha tamin`ny tantaran`i Madagasikara. Miteraka adihevitra tokoa mantsy, indrindra eo amin`ireo mpisehatra politika. Nandritra ny vela-kevitra nataon`ny HVM dia nilaza i Rivo Rakotovao fa tsy vahaolana ny fametrahana filoha vonjimaika hanolo ny filoham-pirenena, araka ny voafaritra ao amin`ny and. faha-46 hatramin`ny faha-52 ao anatin`ny lalàmpanorenana. Raha ny nambarany dia tsangan'olona fotsiny izy nandritra ny fotoana nisoloany toerana ny filoham-pirenena nametra-pialana. Tena nohamaivanina tanteraka, hoy izy ny fahefana eo am-pelatanana ka lasa mivangongo eo an-tanan'ny praiminisitra ny fahefana sy ny fitondrana ny baolina. Noho izany, mety ho indray mandeha tsy miverina izany ny fampiharana iny voalazan'ny lalampanorenana iny hoe “miala roa volana mialoha ny filoha am-perinasa raha mbola hilatsaka hofidiana”. Raha nampihatra izany, dia efa milaza ny tsy fetezany ny teo amin`ny toerana. Raha tsiahivina dia nampifandraisana tamin`ny « Convention de Panorama » tamin'ny 31 oktobra 1991 ity andininy faha-46. Izany hoe filoham-boninahitra ny filoham-pirenena fa ny tetezamita no mitantana ny raharaham-panjakana. Marihana hatrany fa niteraka resabe nandritra ny fitondran`ny filoha Rajaonarimampianina ny and. 46 hatramin`ny faha-52, izay mitaky ny fametraham pialan`ny filoham-pirenena am-perinasa izay mirotsaka hofidiana ary nisy mihitsy ny fikasana hikitika lalàmpanorenana ny taona 2017. Etsy an-kilany kosa, maro ny fanehoan-kevitra fa mety io fialana mialoha io raha hilatsaka fa misoroka ny farafahakeliny amin'ny ahiahy amin'ny halabato. Tsy resaka olona na rafitra fotsiny no olana eto fa io tsy fahamarinana io no fototry ny ahiahy sy ny lonilony hatrizay. Ny tranga-javatra toy izao no no mahatsara ny adihevitra politika fa tsy adilahy politika fotsiny mba ahafahana manamboatra miaraka amin'ny mety kokoa. Ka tokony dieny izao dia atomboka ny fandinihana azy fa tsy rehefa akaiky fifidianana indray dia izay heverina fa metimety indray nefa avy eo dia hoe tsy mety indray.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.