Politique

Lalàm-pirenena RN5A Tsapan-dRajoelina amin’izay ny fahorian’ny vahoaka


  • Alatsinainy 15 Aprily 2019

Hanomboka izany ny asa fanarenana ny fanamboarana ny lalàm-pirenena RN5A mampitohy an’Ambilobe-Vohémar mirefy 151km, izay vatsian’ny Sinoa vola mitentina 155 tapitrisa dolara.

 


 
Ny sabotsy 13 aprily teo no nidina ifotony tany an-toerana ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina nisantatra ny ambara fa fanombohana ny asa taorian’ny fifanaovan-tsonia lasitra niarahana tamin’ny sinoa. Handray an-tànana ny famitana ny asa ny orinasa sinoa China Road and Bridge Corporation (CRBC), ka ankoatra ny làlana dia tetezana dimy vaovao no hatsangana ankoatra ireo folo hafa efa nisy teo havaozina tanteraka. Nampanatena io orinasa io, fa ho vita manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ary ao anatin’ny fotoana izay takiana ny asa. Mponina miisa 1 700 000 ao amin’ny kaominina : Marivorahona, Ambakirano, Betsiaka, Maromokotra, Daraina, Madirobe, Ampondra ary Vohémar no hisitraka ity tetikasa lehibe ity. Ankoatra ny fisokafan'ny faritra roa, izay hisy fiantraikany mivantana amin'ny mponina, ny fanamboarana ny RN5A dia hampiroborobo ny asa ara-toekarenan'ireo faritra ireo, na ara-barotra, na ny fambolena sy fiompiana ary ny indostria. Eo ihany koa ny fampivelarana ny fifanakalozana mivantana eo amin’ny tanàna manana vokatra haondrana sy ny seranantsambon'i Antsiranana. Nandritra io fotoana io no tena nahitan’ny filoha ankehitriny ny olana mianjady amin’ny olona eny ifotony, indrindra fa ity resaka làlana ity. Somary nisy rahateo ny fanakianana ny politikam-panjakana tany aloha, izay nivoy ny tokony hanamboarana ny làlana rehetra eto Madagasikara, ka zava-dehibe ny finiavana hanao làlana amin’izao. Irarian’ny rehetra ny hahavitan’ity RN5A ity tsy hijerena lafiny politika, fa ny fivahan’ny olana mianjady amin’ny vahoaka no laharam-pahamehana. Samy nifanao fanamby rahateo na ny fanjakana teo aloha tamin’ny alalan-dRajaonarimampianina izay efa nifanaraka tamin’ny sinoa sy nametraka vato fototry ny asa ny 16 aogositra 2018, na ny fanjakana ankehitriny izay nanao ny azy ihany koa ny sabotsy 13 aprily teo.

 Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT