Politique

Lainga, kolikoly, fahantrana,… Izao no voka-dratsin’ny « doublons »


  • Talata 22 Martsa 2022

Telo taona sy tapany aty aorian’ny fifidianana nampalaza ny “doublons” na anarana miverin-droa isika izao, saingy tsy nipetraka mandrak’androany ny fahamarinan-toeran’ny Fanjakana Rajoelina.

 Raha hiverenenana kely ny antontan’isa, dia vato 2 586 938 manome salan’isa 55,66% no voalaza fa azony. 2 060 847 na 44,34% kosa ny vato nambara fa azon’I Marc Ravalomanana. 520 000 eo ny elanelam-bato, saingy milafika amina adihevitra tsy hifankahitana ny ambara fa fandresen-dRajoelina, indrindra fa vaky am-batolampy ny raharaha “doublons” izay ny Filoha lefitry ny CENI teo aloha Atoa Thierry Rakotonarivo no nivaky izany volana febroary 2020. Vao mainka nanaratsy endrika sy nanaratsy toerana ny Fitondrana Rajoelina iny. Ny elanelan’isa 500 000 mahery kely kanefa ny « doublons » an-tapitrisany, ny tsy nifidy 5,5 tapitrisa eo. Ny andro nialohan’ny voka-pifidianana ofisialy ny 8 janoary 2019 aza moa, dia voalaza fa efa niarahaba an’i Marc Ravalomanana ireo solontenan’ny firenena vahiny na “corps diplomatiques” nandritra ny lanonana ara-panjakana lehibe iray nanasana mpanao politika, saingy nitsimbadika ny rasa ny ampitson’iny noho ny tsindry ambony dia ambony sy fandrangarangana rà mandriaka, ankoatra ny antony hafa izay mbola horesahina eto amin’ny fotoana mahamety azy. Nandefitra i Marc Ravalomanana mba tsy hisian’ny rà mandriaka. Ankehitriny, io iaraha-mahita io ny voka-dratsin’ny “doublons”: miharihary ny tsy fahaiza-mitantana, potika tanteraka ny firenena, mitotonana ambony ambany ny toekarena satria tsy mbola niiba -7% izany tao anatin’ny 60 taona, ny vidim-piainana midangana be, ny vahoaka miha fadiranovana, ny kolikoly avo lenta manjaka.

MIORINA TEO AMBONY ALAHELO SY FITAKA
Ny nandrombaka fahefana no nahamaika fa izay hitondra sy hitantana ny firenena tena tsy niomanana. Lojika ny tsy fahamarinan-toerana satria niorina tao anatin’ny fitaka sy halatra… hany ka toa mitsipozipozy tsy velon-kantenaina kanefa tsy maty hafoy, ary toa ho ratsy fiarafara. Ny fomba nandresen-dahatra ny vahoaka hifidy etsy andaniny, saika niorina tamin’ny fampandriana adrisa avokoa. Aiza ilay hoe : efa vonona ny zava-drehetra fa ny fahatongavana eo sisa no ela ? Aiza ilay tsy mila famatsiam-bola mahazatra? Ny vina sy ny velirano mihitsoka,… Maro no tofoka sy leo, eny fa hatramin’ireo nanohana azy aza. Ny mpamatsy vola tsy mahatoky, kanefa ny velirano am-polony miliara tsy misy tokontaniny 16 volana tsy hahataperan’ny fe-potoana iasana. Midika fa fivarotana nofinofy sisa no betsaka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT