Politique

Laharam-pahamehana eto amin’ny firenena Misambadidaka tanteraka


  • Alakamisy 07 Mey 2020

Mampametra-panontaniana ankehitriny ny fomba fametrahan’ny fitondram-panjakana ny tokony ho laharam-pahamehana amin’ny fitantanana ny firenena. Ekena fa anatin’ny ahamehana ara-pahasalamana izao ny firenena.

 

Ny Artemesia, hoy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, no hanavotra ny firenena. Toy ny mamporisika ny mpiray tanindrazana izany hoe mambole izany Artemesia. Aiza ho aiza ny fanampiana sy famatsiana ireo mpamokatra vary sy tantsaha eto an-toerana mba hiadiana amin’ny kere sy mosary? Manomboka miverina mipetraka koa ankehitriny ny fanontaniana hoe ny fananganana tanana vaovao ve izao no tokony himasoana sa ny famoronana asa ho an’ny tanora? Vao mainka misambadidaka tanteraka ankehitriny ny laharam-pahamehana eto amin’ny firenena raha toa ka efa hatrany am-boalohany no nahafanina ny hoe ity IEM ity ve vina sa fandaharan’asa sa tetikasa? Teo koa ny hoe iza ilay tena ho ampiharina? Velirano sa PGE sa io IEM io tokoa? Misambadidaka tanteraka!

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT