Mihalalina ny krizy, ary vao mainka hihamafy noho ny tamin’ny andron’ny
Fanjakana HVM ny zavatra iainana eto na amin’izao na amin’ny taona 2021 ho avy io satria tsy misy sori-dàlana mazava hitantanana ny firenena. Nandova varatra sy fitondrana gaborarak’i tetezamita i Hery Rajaonarimampianina. Efa mba nametrapetraka ny heveriny fa fototry ny fampandrosoana, ka tafiakatra 5,2% ny tahan’ny harin-karena tamin’ny fotoana nialany teo na nenjehina mafy sy nopotehina aza, fony nitondra. Tonga indray ny Ekipan’ny tetezamita dia io no miseho. Tsy voafehy ny krizy, ary io lasa miiba -3,8% io ny harin-karena. Tsy tarehimarika fotsiny io, fa tena hita sy iainana andavanandro. Ny firenena sokajiana hoe “normal”, dia efa mipetrapetraka ny resaka fanarenana ara-toekarena na “rélance économique” sy ny fe-potoana mazava hanaovana izany, fa ny eto variana amin’ny kisehoseho sy kajy politika. Tsy misy drafitra mazava ny fanarenana ara-toekarena, ary ilay “Plan Marshall” 1043 miliara Ar nodradradrain-dRajoelina ny 15 jona 2020 teo aza izany, tsy nisy vokany hatreto, matoa vao mainka nitotongana any amin’ny -3,8% ny harin-karena 5 volana aty aoriana. Ny mpandraharaha tsy misy tohana, ny sehatra tsy mamokatra no hihazakazahana,… kanefa raha mijery ny atsy amin’ny Nosy Maorisy isika, dia tsy ampandoavina hetra hatramin’ny faran’ny taona sy homena aina vao izy ireo. 4,5% ny tahan’ny harin-karena hotratrintsika ny 2021, izay mbola ambany noho ny 5,2% nialan-dRajao teo, saingy mbola mahakely finoana ny hahatrararana azy. Ny krizy politika etsy andaniny mampanahy, raha zohiana amin’ny fahamafisan’ny lonilony ankehitriny.
HENJANA NY TAKAITRA, MANANA NY KAJINY NY EOROPEANA »
“Ny krizin’ny Coronavirus anie namela takaitra, henjana be teo amin’ny toerakerana io. Raha tsy misy onja fahatelo (3ème vague) any Eoropa, dia hanao “course” be hanarina ny toekareny izy, dia isika no potika eo. Raha misy “3ème vague” io dia vao mainka loza, mbola any amin’ny faran’ny martsa 2021 vao tapitra ny ririnina any. Resaka vaksiny izao ny an’ny Eoropeana hividy “doses” 2 miliara”, kanefa ny mponina ilany azy 450 tapitrisa, dia hitanao fa varotra indray io, ary hisy fanaporetana ankolaka indray vao omeny anao ny vakisiny”, hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Ignace Randriamamizafy Mpikambana teo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.