Politique

Krizy politika Mamofompofona fifanarahana Panorama II


  • Alarobia 21 Jolay 2021

Manery ny Fitondrana Rajoelina hiroso amin’ny fisokafana ara-politika ny tsindry misy amin’izao fotoana izao. Ekena fa lany tamin’ny fifidianana ny Filoha Rajoelina sy ny tariny,

 saingy miharihary, fa tsy nampipetraka ny fitoniana ara-politika noho ny antony maro, ka voalohany amin’izany ny fifidianana nahiana ho tsy nadio, fampihavanam-pirenena tsy vita,... Nandiso fanantenana ny vahoaka tamin’ny lafiny maro ihany koa ny fitondrana satria tsy arakaraka ny fampanantenana maro be ny vokatra na ara-toekarena na ara-tsosialy. Tsy miakatra ny taham-panohanana na “côte de popularité” ho an’I Andry Rajoelina, fa tena nijotso. Toa miverina aminy ny tantara tamin’ny zavatra nataony sy ny ekipany tamin’ny Fanjakana Rajaonarimampianina, izay voahozongozona hatramin’ny farany, ary niongana mihitsy aza ny rafi-panjakana tamin’ny 2018, niafara tamin’ny fiaraha-mitantana. Tsy mifanalavitra amin’izany ny sary mety hisy amin’izao 2021-2022 raha tarafina amin’ny fangotrangotraky ny politika. Ny etamazaoro politika samihafa efa misomebeseby samy manamboatra ny kajiny, mivory etsy, mikaon-doha eroa,… Tsy tongatonga ho azy io, fa efa mandeha ny ketrika politika. Nanomboka novoizina tato ho ato ny resaka fifanarahana politika. Mamofompofona fifanarahana politika toy ny tamin’ny 31 oktobra 1991. Marina fa mety manana ny hambom-pony sy ny mokondohany, ary mety mihevitra ny tenany ho matanjaka ny Filoha Rajoelina sy ny ekipany, saingy efa misamboaravoara ny toe-draharaha amin’izao. Sarotra aminy, ary tsy tafavoakany ny firenena,… Efa IRD ny rafitra rehetra hatrany amin’ny fokontany, ka hatrany amin’ny Filoha, saingy toekarena mitotongana, sosialy mivaralila ny vokatr’izany. Fantatra ny hambo-po ananan’ny Filoha, ary tsy izy tenany mihitsy no hanala baraka ny tenany ho tsy mahavita saingy tsy afa-manoatra, mety io ny faraheriny. Miharihary ihany koa etsy andaniny, fa tsy niomana hitondra firenena ny Filoham-pirenena, araka ny nambaran’ny mpanao politika iray omaly. Endrika iray maneho izany hoe: ny Praiminisitra efa tao anatin’ny tetezamita kelin’ny 2018 izay tsy nanana rohy politika aminy sy ny antokony no notazoniny ho Praiminisitra hanao ny vinany, ka tsy atao mahagaga raha tsy tafavoaka sady tsy mety marin-toerana.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT