Politique

Krizy ankehitriny “Mafy noho ny tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009”


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2020

Potika sy ravarava ny sehatra tsy miankina: nihena ny karama, miato amin’ny asa, voaroaka ny mpiasa,… Mikatona ny sehatr’asa mampidi-bola, raha toa ka tsy tena voakasika ny sehatra ara-panjakana hatreto, kanefa any no tena handefasana ny vola.

 

 

 

 Ny fanotofana sy fanontana vola ho an’ny sehatra tsy mamokatra anefa dia mampidangana ny vidim-piainana, raha ny fanehoan-kevitr’Atoa Serge Zafomahova. Any amin’ny 1 tapitrisa latsaka ny olona ao anatin’ny sehatra tsy miankina tsy manara-drafitra lasibatra sy nihena ny fidiram-bola. Ny 1/10 amin’ny asa eto Madagasikara no ao anatin’ny manara-drafitra, ka mahatratra hatrany amin’ny 10 tapitrisa kosa ny olona lasibatra ao anatin’io sehatra tsy manara-drafitra io. Ny 80% amin’ny Malagasy eny amin’ny tontolo ambanivohitra, dia tafiditra ao anatin’izay tsy manara-drafitra izay. Toy izany ihany koa ny an-tànan-dehibe, ary ny iray amin’ny Malagasy telo aza tsy manana sora-piankohonana. Mifanohitra tamin’ny krizy nifanesy (1972, 1991, 2002, 2009) ny zava-misy satria tamin’izany mbola afaka niodina sy niaina ihany noho ny sehatra tsy manara-drafitra, fa ny amin’izao dia tsy misy lalan-kivoahana. Ny olona tao anatin’ny kilasy antonony, dia nitotongana any amin’ny sokajin’ny marefo. Ny fahoriana ara-tsakafo, indrindra ho an’ny faritra an-drenivohitra dia miantraika any amin’ny tsy fahafahana manohitra ny aretina, toy ny Covid-19. Mety hitarika fipoahana io. Mila mahay mijery tsara ny fepetra ara-tsosialy sy ara-toekarena ny fanjakana hanoherana ny krizy ara-pahasalamana hamotika zavatra maro, hoy I Serge Zafimahova mpandinika ara-toekarena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT