Efa niteraka resabe ny filazan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tany Frantsa ny alarobia 29 mey teo fa tsy dia mahakasika loatra ny vahoaka ny fifidianana depiote ka tsy mahagaga raha vitsy hatrany ny mpifidy tonga amin’izany.
Fanambarana izay hita ho tsy vitan’ny manambany ny Malagasy fa manambany ireo hery politika hafa izay tsy sasatry ny mamerimberina ihany koa fa fifidianana manakaiky vahoaka na hoe “Election de proximité” izany fifidianana solombavambahoaka izany. Mbola nanondrana indray koa ny sabotsy teo ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy, Naina Andriantsitohaina, raha nilaza tao amin’ny radio iraisampirenena frantsay RFI fa tsy krizy maha olom-pirenena izany iny mpifidy vitsy kely farany teo iny fa fampisehoana fa leo politika ny Malagasy ary te handroso amin’izay. Aleoko aza, hoy izy, mandray an’iny ho toy ny fandresen’ny ezaky ny governemanta tao anatin’izay efa-bolana izay sahady. Hita ho hamaivanin’ny fitondrana hatrany, araka izany, ny krizin’ny demokrasia eto Madagasikara izay efa nampiaiky ny CENI fa manomboka. Mampametra-panontaniana hoe inona izany no dikan’ilay tenin’ny filoha hoe “isika rehetra no hanavotra an’i Madagasikara.” Raha toa ka ny safidim-bahoaka sy ny feony aza tsinontsiniavina sy dikaina vilana toy izany ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.