Mandeha ny resaka eny Tsimbazaza fa misy olon-tsotra mipetraka amin’ny trano tokony hipetrahan’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita izay tsy fantatra mazava izay fandehan’ny taratasy mahakasika azy ireo. “Midongy tsy mety miala ny trano ireo olona tsy ara-dalàna ireo, hany ka lasa izahay mpikambana indray no maloto eo imason’ny vahoaka Malagasy”, hoy Roberson Honoré Xavier mpitondra teny. Ity farany izay manamafy ny fitakiana ny hanomezana ireo tombontsoa tokony ho azon’izy ireo toy ny solika sy ny tambin-karama nampanantenaina nandritra ireo fivoriana tsy ara-potoana.
Nofy.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.