Hiezakezahana mafy ankehitriny ny dokambarotra amin’ny resaka fifidianana nefa dia endrika ivelany sy raviravi-natentina fotsiny no tena hita fa ny any amin’ny Faritr’i Sofia misy anay any dia tsy mandeha amin’ny laoniny akory ny asan’ny CENIT amin’ny ankapobeny, hoy ny CT Eric Randrianasolondrabe.
Mandeha ny fanisam-bahoaka nefa ny solontena avy amin’ny antoko politika tokony hanara-maso ao anatin’izany rafitra CENIT any amin’ny faritra izany aza tsy tafapetraka akory. Toa tiana atao tery vay manta fotsiny mba hahazoana famatsiam-bola ity resaka ity, hoy ity CT avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana ity. Aza adinoina fa krizy politika no misy ka tokony ho vahaolana politika aloha no atao. Fepetra ara-teknika ny an’ny CENIT fa ny fepetra politika dia tsy maintsy vahana mialoha.
“Ny anay izao ety amin’ny Lapan’ny Kongresin’ny tetezamita ety dia toa asa alasafay mandany fotoana fotsiny no atao ety fa ny zavatra tena vaindohan-draharaha amin’izao fivoriana ara-potoana izao tsy mbola hita tabilao akory na dia ny fofompofon’ilay volavolan-dalàn’ny tetibolam-panjakana 2013 aza. Manginy fotsiny ny tsy firaharahan’ny mpanatanteraka ny mpanao lalàna”. Amin’ny ankapobeny dia tsy misy lalàna volavolainay CT izany ety, hoy i Eric Randrianasolondrabe, fa zavatra efa vita kononkonona avy any no asaina laniana amin’ny tsangan-tanana eto. Na tsy nofidian’ny vahoaka nivantana aza izahay fa notendrena dia tsy maintsy miresaka satria zary hamita-bahoaka fotsiny. Tsy “sérieux” ny zava-misy ety ankehitriny fa resaka misavoan-danitra sy sinema no betsaka ka mampanontany tena hoe : ho aiza marina ity firenena ity ? Mba tena te-hivoka amin’ny krizy marina ve ny mpitondra FAT ankehitriny ? Antsika mianakavy no mamaly izany !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.