Raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny hiatrehana ny fivoriana ara-potoana faharoa hanomboka amin’ny talata ho avy izao ny Kestora 1 ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Jean Michel Henri, dia nilaza mazava fa ny fivoriana dia tsy maintsy hatao satria ny lalàmpanorenana mihitsy no mamaritra fa mivory ara-potoana handinika indrindra ny tetibolam-panjakana amin’ny taona ho avy ny Kongresin’ny tetezamita manomboka ny talata faha-3 amin’ny volana oktobra. Tsy azo afenina anefa, hoy izy, fa ao anatin’ny fahasahiranana izahay ato amin’ny fanatanterahana an’io fivoriana io. Ny resaka ara-bola no mahatonga izany satria nihena hatrany amin’ny 25% ny tetibola nampiasain’ny Kongresin’ny tetezamita tamin’ity 2012 ity raha ampitahaina tamin’ny taona 2011 nefa ny mpikambana dia nitombo hatrany amin’ny 80% ny isany.
Tetsy ankilan’izay koa, ny fivoriana tsy ara-potoana natrehana teto dia niisa 5 be izao izay tsy tafiditra tao anaty tetibola ny fandaniana tamin’ireny. Ny tena olana izany eto izao, hoy ny Kestora Jean Michel Henri, dia amin’ny resaka saran-dalana homena ireo CT na ny mandeha an-tanety na ireo mandeha amin’ny zotra ana habakabaka satria antsoina izy ireo ka tsy maintsy honerana ny volany. Marihina fa tsy mandray “indemnités de session” izahay, hoy ihany izy. Raha ny karama kosa dia mbola misy ny handoavana izany hatramin’ny volana desambra ho avy izao.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.