Politique

Kongresin’ny PSDUM tany Toliara Vaky ny ady, nailiky ny UDR-C ny TGV


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2012

Tontosa ihany na dia tara fanombohana aza ny kongresy nasionaly voalohan’ny antoko sosialy sy demokraty fampiraisana eto Madagasikara (PSDUM) tarihan’i Lahiriniriko Jean ny sabotsy 19 sy alahady 20 oktobra teo tao amin’ny Restaurant Le Palutivier amoron-driaka Toliara.

 Faritra 17 amin’ny 22 misy eto amin’ny Nosy no nahatonga solontena ka nandray anjara navitrika tamin’ity kongresy fanao isaky ny dimy taona ity. Marihina fa ny 2 martsa 2007 no niforona ara-panjakana ny antoko. Lohahevitra roa lehibe no niadian-kevitra ny sabotsy teo dia ny momba ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana. Tapaka tamin’izany ary nolazain’ingahy Lahiniriko nazava sy nahitsy teo imason’ireo olony fa nailiky ny UDR-C ivondronan’antoko 30 tsy hiaraka aminy intsony ny TGV. 

 
Namaivay ny fanakianana ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana ary ny mpitondra nandritra ity kongresy ity fa anisan’ny mampirongatra ny asan-dahalo any atsimo ny fanaovan’izy ireo kolikoly sy ndramitse, ka votsotra foana ireo dahalo sy ny olon-dratsy noho ny fitiavan-tena manonkana. Tsapan’ny mpizaika ihany koa amin’izao fa ny fahantrana no antony lehibe mampirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Vahaolana naroson’ny PSDUM ny fampandraisana anjara bebe kokoa ny vahoaka amin’ny alalan’ny dina sy ny fanamafisana ny andrimasom-pokonolona ary ny fitaizana ny vahoaka sy famoronan’asa ho an’ireo tanora. Momba ny fiainan’antoko izay namaranana ny adihevitra no nametrahana rafitra vaovao isam-paritany sy faritra, taorian’ny fifidianana ho fanavaozana indray ny sata sy ny birao politika vaovao. Mbola voafidy hatrany ho filohan’ny antoko manana ny filamatra hoe : «Mba ho iray ihany ny Malagasy» i Lahiniriko Jean sy ny Sekretera nasionaliny ny minisitry ny rano Reboza Julien, hitantana indray ity antoko ity. Ankoatra ny politika, ny fandriampahalemana mavaivay any atsimo dia anisan’ny lahadinika nandritra ny kongresy ihany koa, ny raharaha anatin’ny antoko, ny sori-dalam-pitantanana ny fiarahamonina ary ny fomba fijery ny raharaham-pirenena.
 
Na dia nailika aza ny TGV dia tonga nisolotena ity antokon’i Andry Rajoelina ity ihany ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita ho an’ny faritanin’i Toliara, ny CT Tinoka Roberto izay nanolotra lelavola iray tapitrisa Ariary nanampiana ny PSDUM. Handray anjara amin’ny fifidianana rehetra hisy ny PSDUM. Ny olona atolotry ny UDR-Fanovana ihany anefa no tohanan’izy ireo, ka aorian’ny kongresy izay ataon’ity farany atsy ho atsy fa mbola tsy voafaritra ny daty no hahafantarana izay olona hatolotra ho kandida amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena. Hatreto aloha dia mbola karazan’ny fanehoan-kery ihany ity kongresy ity mba hilazana fa matanjaka ary velona ny PSDUM na dia tsy re firy tato ho ato. Nambaran’i Lahiniriko Jean, mpitarika ny PSDUM sy UDR-C fa «tokony hilaza mialoha i Andry Rajoelina na hilatsaka na tsia fa mandany fotoana fotsiny» ary mbola nohamafisiny hoe : «mikatsaka ny tena fanovana izahay fa mijaly loatra ny vahoaka Malagasy na ny SADC aza mahatsapa izany». Amiko, hoy ity mpanao politika ity dia «tsy tokony hilatsaka na i Andry na Ravalo fa tsy lany olomanga ity firenena ity». Solontenan’ny antoko politika maro mivondrona ao amin’ny UDR-C no nanotrona ity kongresy ity. 
 
E.R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT