Politique

Komity mpanohana ny TSIA Hanatontosa zaikabe eto Iarivo


  • Alarobia 01 Desambra 2010

Namoaka ny voka-pifidianana feno na dia mbola vonjimaika ihany aza ny vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny fifidianana na CENI.

Tsy zava-baovao intsony ny fandresen’ny ENY izay nahazo salanisam-bato 74.19%, izany hoe vato miisa 2 657 962 raha 25.81% kosa no azon’ny TSIA. Ho an’ny Komity liam-pivoarana manohana ny Tsia na KLMT dia tsy faharesena velively ilay fitsapan-kevi-bahoaka fa ny mifanohitra amin’izay aza satria mahafa-po azy ireo ny isam-bato azony manoloana ny hakelin’ny enti-manana sy ny fandikan-dalàna nataon’ny tomponandraiki-panjakana maro izay nampiasa fitaovam-panjakana hanaovana fampielezan-kevitra mampandany ny ENY toy izay nataon’ireo Chef Cisco tamina faritra sasany. Nanamarika izany moa ny KMF/CNOE tamin’ny tatitry ny fanaraha-maso ny fifidianana nataony.

Mihevitra ny hametraka fitarainana moa ny mpanohana ny TSIA na dia tsy manantena hahita fahagagana amin’izany aza . “Na eo aza ireny zava-misy rehetra ireny dia mbola nisy olona sivy hetsy mahery no nisafidy ny TSIA. Nandresy hatrany rahateo ny TSIA tamin’ny faritra nanaovanay fampielezan-kevitra toy ny tany Bongolova sy tany Manjakandriana ary nihoatra ny 40% ny salanisam-bato tamin’ny toerana nampielezana ny maha ratsy iny volavolan-dalàmpanorenana iny”, hoy Rajaonah Andrianjaka, anisan’ireo KLMT tamin’iny fitsapan-kevi-bahoaka iny. Hanatontosa fihaonambe eto Iarivo, indrindra ireo Komity mpanohana ny Tsia ary miantso ireo rehetra izay nitovy safidy taminy. Amin’ny faha 16-17 ary 18 desambra no anatontosana io fihaonambe io saingy tsy mbola fantatra kosa ny toerana anatontosana azy. “Mitohy ny tolona ho fametrahana ny tena fiandrianam-pirenena marina”, hoy hatrany ity filohan’ny Otrikafo ity. 

Sary : Rajaonah Andrianjaka, nampanao TSIA tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT