Nitsangana tao anatin’ny vanim-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana ny « Komity Miaro ny Soa Iombonana » (KMSI),
noho ny fitarainan’ny fokonolona momba ny tsy fanarahana ny rafitra misy eny anivon’ny kaominina sy ny fokontany. Mahatsapa ny komity fa mandeha ila ny zava-misy amin’izao fotoana izao ka tsara ifampiresahana. Noho izany, tonga nitondra ny fitarainan’ny vahoaka eny anivon’ny fokontany teto anivon’ny Antenimierandoholona izany komity izany omaly alarobia 09 septambra 2020. Solontena avy amin’ireo boriboritany misy eto Antananarivo Renivohitra izy ireo, tonga nitondra ny hetahetan’ny vahoaka amin’ireo Loholon’i Madagasikara amin’ny maha solotena ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ity farany, araka ny fampitam-baovao. Tanjon’izy ireo ny mba hisian’ny tena fampandrosoana eny anivon’ny fokontany ka amin’ny alalan’ny fampandraisana andraikitra ny fokonolona no ahafahana manatanteraka izany. Mihamafy, hoy izy ireo, ny fanilikikihana na mivantana na ankolaka mihatra amin’ny vahoaka ankehitriny ka mety hihafara amin’ny korontana sy ny ady an-trano izany raha mbola mitohy. Misy ny fanosihosena ny zo aman-kasin’ny fokonolona, potika ny fihavanana malagasy. Ny fokonolona no mahafantatra tsara ny zava-misy eny amin’ny fokontany tsirairay avy ka ny fampandrosoana izany fokontany izany no tokony imasoan’ny mpitondra Fanjakana. Ny fananana hevitra tokana dia tsy mampisy ny fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana. Noho izany dia nisy ny fangatahana maromaro nataon’izy ireo, toy ny hamerenana ny hasin’ny fokonolona amin’ny alalan’ny fanaovana fifidianana mivantana ny Filohan’ny fokontany, ny hisian’ny fitsinjarana isam-paritra ho fanajana ny fisaraham-pahefana,...
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.