Politique

Komity miaro ny soa iombonana “Andao haverina anaty rafitra ny fokonolona sy fokontany”


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Nandray anjara tao anatin’ny atrikasa nataon’ny HCDDED na ny filankevitra ambony momba ny zon’olombelona sy demokrasia ary ny tany tan-dalana izahay, hoy ny avy eo anivon’ny KMSI na komity miaro ny soa iombonana. Nahita famaritana maro isan-karazany ny atao hoe demokrasia sy tany tan-dalana tao anatin’izany ny KMSI.

 

 Nivoitra tao anatin’izany fa tsy misy demokrasia eto Madagasikara ary ny tsy fisian’izay dia niteraka hevitra voizinay ankehitriny dia ny fanamafisana ny tena fotokevitray hatramin’izay dia ny hiverenana any amin’ny fokonolona. Io no tompon’ny demokrasia tamin’ny alalan’ny teny ierana. Io no tsy maintsy iaingana ary mamolavola ny antsoina hoe donak’afo izahay ankehitriny. Toy ny loabary an-dasy io saingy any amin’ny fokonolona no itondrana ny resaka satria mitsingevaeva ilay demokrasia eto satria mijanona eo amin’ny kaominina ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ny fokonolona anefa any amin’ny fokontany dia aleo ny olona haneho ny heviny raha mety aminy ny zava-misy. Rehefa tsy mety dia andao hijery izay hahatongavan’ilay fokonolona sy fokontany anaty rafitra, hoy hatrany ny KMSI.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT