Nisy tolona ho an’ny fanovana natao teto amin’ny firenena ary nidinana an-dalambe mihitsy ny taona 2017 saingy tsy nisy ilay fiovana, hoy ry zareo avy eo anivon’ny KMSI na Komity Malagasy ho an’ny soa iombonana.
Ho diso fanantenana foana isika raha hihevitra hoe sambany mba nisy olona nandeha eraky ny elakelan-trano dia hoe iny no izy, hoy izy ireo, raha raisina ohatra ny fifidianana ben’ny tanana teto Antananarivo. Ny resaka “cybercriminalité” dia hoy aho hoe tsy hitako izay handrarana azy rehefa tsy mihoa-pefy, hoy kosa ny mpitarika, Ramasy Randrianirina. Aleo ny olona hiady sy hilaza hevitra fa lasa ataontsika fampihorohoroana ilay izy. Ny ahamehana ara-pahasalamana moa dia talohan’ny 1971 dia nisy ny atao hoe “sekoly miangatra”. Ny zaza Malagasy sahirana tamin’izany dia tapitra eo amin’ny kilasy fahatelo raha nianatra teto andrenivohitra. Ny zanak’olona mahitahita sy manam-bola no nihoatra an’izay ary nampirodana ny fitondrana Tsiranana io 4 volana taorian’ny nahalany azy 99%. Misy ny zara vilana sy miangatra ankehitriny amin’ny hahamehana. Marary ny olona izao. Voalazan’ny fanambarana iraisampirenena momba ny zon’olombelona na DUDH mihitsy hoe aza ferana ny zo fototry ny olona! Mametra izany nefa izao ny fanjakana satria tsy mianatra ny zanaka Malagasy, nisy ny tsy nahazo fanampiana nisy nahazo. Famerana izany. Misy olana manana 4x4 mahazo fa misy tena fadiranovana eny amin’ny fiarahamonina nefa tsy mahazo. Demokrasia tsy miainga avy amin’ny fokonolona no eto fa avy any ambony no midina. Izahay dia miady hoe tsy hisy io fizarana vilana na miangatra io raha tena ny fokonolona no mitantana ireo fanampiana. Tsara marihina, hoy hatrany izy ireo, fa ny KMSI no niaingan’io hetsika eny amin’ny Panorama io. Ny zavatra tsikaritra dia misy fandrika be ao anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara izay avela hivahavaha izao mba hiverenana hanidiana azy indray ka hamehezana, indrindra, ny haino aman-jery. Tokony efa esorina amin’izay ny hahamehana, hoy izy ireo, fa ny fepetra ara-pahasalamana no tazomina.
J. Mirija’
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.