Politique

Komity LOHARANO Inona marina moa no tena asany ?


  • Talata 14 Aprily 2020

Nanazava momba ny andraikitry ny Komity Loaharano ny ministry ny harena an-kibon` ny tany, Fidiniavo Ravokatra ka nambarany fa hiandraikitra ny fanantanterahana ny lamina rehetra momba ny ady amin’ny “coronavirus”

 

 

 

amin’izao fotoana izao izy io ary ny lamina momba ny fampandrosoana ny firenena amin’ny fotoana aoriana. Momba ny ady amin’ny valanaretina dia natao hitily ny olana ara-pahasalamana eny amin’ny fiaraha-monina, mampita ara-potoana any amin’ny CCO ny tranga mampiahiahy. Momba ny lafiny sosialy indray dia famoahana ny lisitry ny tokantrano misitraka ny tohana ara-tsosialy, miandraikitra ny rindran-damina ankapobeny amin’ny fizaràna izany. -Aiza no hapetraka? Manerana an’i Madagasikara manontolo. Amin’izao dingana fanombohana izao dia ireo Faritra telo (3) mampihatra ny fepetra fihibohana no hanombohana azy. Tahaka izao manaraka izao kosa ireo manana andraikitra ao anatin’ny rafitra : Solombavambahoaka/Lehiben’ny Distrika/ Ben’ny Tanàna : miara-miasa amin’ny Sefo Fokontany amin’ny fananganana ny rafitra (tsy manendry fa manara-maso na manao Supervision). Mpikambana mandrafitra ny Komity Loharano : miisa enina (6) fara-fahabetsany. Raha misy sehatra tsy ananan’ny Secteur/Fokontany iray solontena dia ireo solontena nampiarahina « sy/na » ireo no afaka mifameno.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT