Politique

Komity Firaisankina Manomana fihaonana amin’ny vahoakan’Antananarivo


  • Alakamisy 20 Janoary 2011


Tafatsangana manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra ny Komity Firaisankina. Misy sampana ihany koa eny Atsimondrano sy Avaradrano, sy any amin’ny faritra toy ny any Toliary sy Sambava, taorian’ny adihevitra niarahana tamin’ny mpiaro ny zon’olombelona izay natao tao amin’ny Motel Anosy tamin’ny herinandro lasa teo.

Nitety Masoivoho vahiny ihany koa ny mpitarika ny Komity, tarihin-dRtoa Lalatiana Ravolomanana ary nangataka fihaonana amin’ny Dr Leonardo Simao, iraky ny SADC, amin’izao diany eto Madagasikara izao, ary hihaona amin’i Peter Metcalf, mpanolotsaina politika eo anivon’ny Firenena Mikambana, koa. Araka ny fantatra dia miomana hanatanteraka fihaonambe amin’ny vahoakan’Antananarivo ao amin’ny Tranompokonolona Isotry ny Komity amin’ny sabotsy tolakandro izao. Manamafy ny fitakiana ny famoahana tsy misy fepetra an’Atoa Fetison Rakoto Andrianirina sy ireo rehetra voagadra noho ny antony ara-politika ny Komity, izay rahateo no antom-pijoroany. 

sary
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT